Manjaka ny valifaty politika eto Madagasikara, ary hifandimbiasana ny fonja raha jerena amin’ny zava-misy amin’izao fotoana izao. Isan’ny adihevitra omaly ny fanamelohana an’I Berija Ravelomanantsoa higadra 3,6 taona any am-ponja.
Mbola miandry ny an-dry Rolly Mercia amin’ny 14 oktobra, izay tsy hay aloha izay didy, fa ahiana tahaka an’io an’i Berija io. Mampiharihary ny hery sy ny fahefana ny mpitondra, ary karazan’ny mampitandrina ankolaka fa tahaka izao no hiafaran’izay miseho manohitra ny mpitondra. Ny afera maro amina miliara toy ny “bonbons sucettes”, ny raharaha tsenambaro-panjakana an-jatony tapitrisa mangina, fa ny kihana sy ny ambara fa fanompana tany amin’ny facebook mampigadra an-taonany maro. Toa miharihary ny fampiasan-kery, fandrahonana,… Marina fa efa mety nanao tahaka izao ny fitondrana teo aloha, saingy hifaninanana ve izany ny mifanagadra sy mifamotika? Hifaninana ny manao hadisoana ara-politika? Mieritreritra ny tsy hiverina handian-tany intsony manao an'izao? Ho eo amin'ny fanjakana mandrakizay doria, tsy manam-bady aman-janaka ? hoy ny mpanao politika iray niara-dia sy nanohana ny Kandida Rajoelina tamin’ny fifidianana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.