Politique

Fanjakana Rajoelina Miantso fitoniana sady mietraketraka ihany


  • Zoma 15 Aprily 2022

Niantso fitoniana ny Fanjakana ka fanambara ny Talen’ny Seraseran’ny Fiadidian’ny Repoblika sady mpitondra tenin’ny Filoha Rtoa Lova Hasinirina Ranoromaro omaly,

fa tsy ho tratra ny tanjona raha toa ka tsy milamina isika. Tena ilaina ny fitoniana politika sy ny fifandimbiasam-pahefana ara-demokratika raha tiana handroso ny firenena, mba hipetrahan’ny fitokisan’ny mpamatsy vola satria nolazaina fa tsara ny naotintsika navoakan’ny Standard and Poor’s (S&P). « Manentana ny mpanao politika sy ny olom-pirenena hitandro toy ny anakandriamaso ny naoty tsara azontsika... Miatrika ny herinandro masina sy ny ramadány, ka enga anie hiray fo sy iray saina ny vahoaka Malagasy mba ho lavitry ny korontana isika», hoy hatrany io Tompon’andraikitra ambony io. Miantso fitoniana ny Fanjakana, kanefa dia tao anatin’ny alakamisy masina mihitsy no nampanao fampiantsoana olona (Clémence Raharinirina) tsy mitovy hevitra teny amin’ny tobin’ny zandary misahana ny heloka bevava sy teny Fiadanana sy teny amin’ny Fitsarana Anosy omaly. Toa misy endrika tari-bato vilam-bava ihany na dia ekena aza fa navotsotra aloha Rtoa Clémence Raharinirina. Nilaza moa i Lova Hasinirina Ranoromaro momba ny valin’ny tsapan-kevitra iray, fa tsy ny 53% (voalaza fa mbola hifidy ny filoha) na 12% (tahan’ny velirano vita) no tsara jerena fa ny fanaovana jery todika amin’ny fitantanana. Ekena fa mbola betsaka ny zavatra mila harenina, saingy raha ny 12% ny efa vita ary 40% ny andalam-pahatanteerahana dia midika fa 52% ny tahan’ny asa efa vita sy andalam-pahavitana, hoy izy niaro ny Fanjakana, ary nilaza fa mitondra vahaolana na teo aza ny coronavirus izay ialokalofana foana. Tsy ny 2023 no mahamaika fa ny hahavitana tsara ny fe-potoana nomen’ny Malagasy ahafahana mandrefy ny fahatokisana na tsia an’izao fitondrana izao, hoy izy. Niaiky fa tsapa ny fiakaran’ny vidim-piainana ho an’ny sokajin’olona rehetra, ka vaindohan-draharaha ary tsy mitsahatra manome toromarika hanalefahana azy sy ny sosialim-bahoaka, ka anisan’izany ny famerena ny vidim-javatra. Manentana ny mpivarotra sy ny olom-pirenena, fa hisy ny fandraisana fepetra hentitra, ka ny 0343081234 no azo antsoina raha misy ny fahitana fanararaotana. Nambara fa tsy hisy ny fahatapahan’ny famatsian-tsolika, ampy ny tahiry, an-dalana manao kaomandy. Efa ho tonga amin’io herinandro io 28-20 aprily ny kaomandy ho an’ny aprily, ary ny 07 aprily lasa teo no natao ny kaomandy ho an’ny volana mey.
Toky R
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT