Politique

Fanjakana Rajoelina Maro ny fanapahan-kevitra petatoko


  • Alakamisy 16 Mey 2019

Toe-javatra maneho ny tsy fahamatoran’ny mpitondra fanjakana ankehitriny ny fanendrena amina toerana ambony an’i Boudi Serdos Olivier ho kandida mpisolo toerana an’Atoa Jocelyne Rahelihanta,

 

 narotsaky ny IRD na ny « Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina » amin’ny fifidianana depiote ao Antsiranana I. Voatendry ho Talem-paritry ny fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana teknika ao DIANA nandritra ny filankevitry ny minisitra ny 27 martsa ny tenany, ka nangataka tamin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenena (HCC) ny fisintahana tsy ho ao anaty lisitry ny hofidiana ny 01 aprily saingy nolavin’ny HCC. Tsy misy olona hafa azo notendrena na koa tsy afaka niandry ve ny fanendrena ? Tsy azo ampiarahana amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana ny firotsahana ka inona izany no vahaolana ? Petatoko sy mbola porofon’ny tsy fahamatoran’ny mpitondra na koa taratry ny loham-boto hatrany ny tahaka izao. Raharaha hafa ihany koa ny mahakasika an’i Haja Manantena, ilay kandida mpisolo toerana mirotsaka any amin’ny distrikan’Ifanadiana. Voarohirohy tamin’ny raharaha fakana an-keriny, saingy navotsotry ny fitsarana tao Toamasina rehefa avy notanana tao am-ponja. Niteraka resabe sy fifanolanana teo amin’ny mpitondra sy ny mpitsara ny raharaha satria naato tamin’ny asany ireo mpitsara miisa 5, nanome ny fahafahana vonjimaika. Nitory tany amin’ny filankevi-panjakana. Ny minisitry ny fitsarana, dia nanipika fa olona tsy tokony ho navotsotra iny, ary samy efa nanipy teny ny amin’izany na izy na ny praiminisitra. Votsotra ilay olona, ary tsy nisy fanenjehana sy fisamborana sy afaka miaina malalaka manao fampielezan-kevitra amin’ny maha kandida mpisolo toerana azy. Tsy azon’ny fanjakana natao ve ny nanenjika sy nisambotra azy rehefa nolazaina fa diso ireo mpitsara namotsotra an’i Haja Manantena ? Betsaka ny petatoko amin’ny fanapahan-kevitra raisin’ny mpitondra, izay manaratsy endrika azy ireo hatrany.

Toky R

                                                                        

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT