Politique

Fanjakana Rajoelina Mandamina taksibe aza manahirana mainka fa firenena


  • Zoma 22 Jolay 2022

Olana kely tsy ampahafirinan’ireo zavatra mihatra amin’ny firenena aza ny resaka saran-dàlan’ny taksbe tsy voavahan’ny Fanajakana,

fa isehoana resaka mivoaka miditra tahaka ny lelon-jaza ka amin’ny fomba ahoana tokoa moa no ahafahany mampandroso firenena misy mponina 28 tapitrisa? Tsy misy fitsinjaram-pahefana sy fitsinjaran’asa mazava fa mbola mifototra foana amin’ny hoe: mbola hirotsaka amin’ny fifidianana manaraka ka tsy maintsy hararaotina ny zavatra rehetra hampalazana ilay Filoham-pirenena am-perin’asa. Mety lojika ny hoe: isan’ireo niatrika ny adihevitra tamin’ny mpamatsy solika izy satria stratejika be iainkinan’ny aim-bahoaka sy ny firenena manontolo ny vidin-tsolika. Na tsy nahomby izao aza dia ny serasera no amboarina amin’ny hoe: tokony ho maherin’ny 6000Ar fa noho ny ezaky ny filoha dia 4900 sy 5900Ar. Mbola mirehareha fa tsy mbola nisy fampidinan-tsolika tahaka ny nataony ny jona 2019 kanefa 100Ar sy 150Ar monja ny fidinanany, fa ny tena misongadina dia ny hoe: tsy mbola nisy solika 1800Ar indray mipoaka izany ny fiakarana na fony izy nidangana 146 dolara ny barila tamin’ny 2006 aza. Io indray ny resaka taksibe, izy Filoham-pirenena izao no milaza fa nidinika tamin’ny mpitatitra fa 600Ar ny saran-dàlana, saingy folo andro mahery gidragidra ny fanoheran’ny mpitatitra, tonga any amin’ny resaka fandrahonana, fampiadiana ny samy mpitatitra, ny mpitatitra sy ny vahoaka,… Taksiben’Antananarivo ny resaka dia ny Filoham-pirenena ve no tsy maintsy handeha handamina an’izany? Aiza ny Minisitra? Aiza ny ben’ny tanàna? Aiza ny ATT (Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety)? Io aza anefa tsy voavaha ka amin’ny fomba ahoana no inoana fa hahita vahaolana maharitra sy mafonja mikasika ireo olana goavana ny Fanjakana toy ny fidangan’ny vidim-piainana sy fitotongan’ny toekarena ny Fanjakana? Ny Fanjakana mihitsy no mitaiza ny olona handingana avy hatrany any amin’ny Filoham-pirenena rehefa misy olana, ary hita io amin’ny fitarainana, fitakiana karama, olana ara-tany,… saingy rehefa jerena tsy hita izay vahaolana fa lasa mitambatra aretina mikiky ny firenena.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT