Politique

Fanjakana Rajoelina Maika ny hanalo olona, tsy manana solony


  • Alakamisy 24 Martsa 2022

Maika handrava hefa ity hatrany ity Fanjakana ity, ka mihazakazaka amin’ny fanesorana olona, kanefa tsy vonona amin’ny fanoloana izany.

 Maika hanala olona, kanefa ny solony tsy misy. Sehatra maro no mpisolo toerana vonjimaika no mitana ny toerana, na tsy misy mihitsy. Ny Ambasadaorontsika any ivelany, ohatra, nihazakazahana ny fanalana ireo notendren’ny Fanjakana teo aloha, saingy 3 taona aty aoriana zara raha azo isaina amin’ny rantsan-tànana ny voapetraka, ho tapitra ihany ny fe-potoana hiasana. Ny governemanta aza nisy minisitra banga am-bolana. Ny any amin’ny Minisitera samihafa, raikitra fanesorana olona hametrahana akamakama,… hany ka dia manavao hatrany. Ady hevitra ary nampifanditra ny mpanakanto sy ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina ny nanesorana ny Talen’ny OMDA na ny Ofisy Malagasy momba ny zon’ny mpamorona. Ny minisitera manakiana fa nisy fitantanana tsy nety, saingy ny artista nilaza fa tsy ny Minisitera ary ivelany ary mihitsy no hahalala bebe kokoa ny ao anaty vilanin’ny OMDA fa ry zareo ao anatiny. Efa am-bolana izay ny fanesorana fa moa mba nisy solony? Izany ve ilay hoe: fitantanana manara-penitra tsy nisy tao anatin’ny 60 taona?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT