Politique

Fanjakana Rajoelina Lany andro manamarin-tena


  • Alakamisy 14 Jolay 2022

Lany andro manamarin-tena sy mbola midoka tena ny Fanjakana Rajoelina hoenti-maneho, fa mety sy mahomby ny fitantanana ataony.

Atao daholo izay fomba hoenti-mandresy lahatra ny rehetra fa izao fanapahan-keviny sy ny fitantanany izao no mety indrindra. Mbola mahavita manao resaka manidintsidina aza, fa mbola ratsy sy loza noho izao no mitranga raha ny mpanohitra no eo amin’ny fitondrana. Mandeha ny karazana porofon-kevitra bontolo na ilay antsoin’ny vahiny hoe: “arguments bidons” mba hoenti-manamarin-tena. Fampitahana no enti-manamarin-tena, ary mahagaga fa mampitovy ny zavatra tsy mitovy raha io resaka vidin-tsolika mihoampampana io, dia ny fivoizana ny vidiny any ivelany sy no hoenti-milaza fa tena mety sy mahomby. Any Frantsa izao efa 2euros izany hoe: 8000Ar mahery, hoy ny manam-pahefana manao fampitoviana. Manodidina ny 1600euros ny karama farany ambany any, ary 60euros ny eto. Misy fepetra ara-toekarena raisina any satria manomboka ny 01 oktobra 2022 izao, ohatra, dia hampiharina ny “indemnité de carburant” ho an’ny mpiasa manana fiara mandray ny karama 1600euros noho midina, ka 18 centimes isaky ny litatra no fampidinana ho azy ireo, ka mahatratra 100 hatramin’ny 300euros io rehefa mitambatra. Mandeha ny fampiasana olona hanao fanehoan-kevitra bontolo amin’ny tambajotran-tserasera, ary mbola ny Fitondrana efa nahongana tany amin’ny 13 taona lasa no ezahina henjehina amin’io mba hanamarinan-tena fa izao zava-misy sy ataony izao no mety. Ezahina hoentina amin’ny resaka mirefarefa amin’ny tany ny adihevitra eto, fa tsy ny ho fiantraikany amin’ny fiainam-bahoaka no jerena sy hitadiavam-bahaolana. Miakatra 50 hatrany amin’ny 100% na mahery aza ny vidim-piainana, mihena be ny fahefa-mividin’ny olona,… fa inona no vahaolana tena hoentin’ny Fanjakana hanalefahana izany ? Miha tsy hita intsony ny sokajy manana fari-piainana antonony na “clase moyenne” fa mivarina any amin’ny fahantrana mangitsokitsoka ny vahoaka. Menaka novidiana 5500Ar tamin’ny volana aprily, lasa 10000Ar, siramamy novidiana 170 000Ar vao andro visty tonga dia lasa 200 000Ar, saran-dàlana 50 000Ar lasa 70 000Ar, ny mpitatitra entana milaza hampiakatra 50%,… Seha-pihariana maro sahirana. Mbola ny fanenjehana sy fanaratsiana an-dRavalomanana sy ny mpanohitra ve no tokony hovoizina kanefa efa izany no miseho? Karaman’ny tsy miankina nolazain’ny filoha fa hakarina aza lasa fampiadiana ny mpiasa sy ny mpampiasa, tsy misy didim-panjakana roa volana aty aoriana, ny avo ihany no toa tovanana,…
Toky R

 

 

 

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT