Politique

Fanjakana Rajoelina Izay hitsabahany mikorontana avokoa…


  • Zoma 26 Aogositra 2022

Asa na fifandrifian-javatra n any mpitondra mihitsy no minia mampiady angely, fa izay itsabahany sy hidirany toa mikorontana avokoa.

Io izao ny taxi-moto sy ny taxi ampiadiana, ka ny volavolan-dalàna efa notsipahin’ny mpanolontsaina monisipaly 49/54 tamin’ny aogositra 2021 no terena haverina hodinihina sy holaniana. Ny tsy ara-dalàna nomena alalana hanao diabe in-droa izay, fa ny ara-dalàna nosamborina ny mpitarika. Tompon’andraikitra amin’izay mety ho korontana ny ben’ny tanànan’Antananarivo hoy ny Taxi, izay nanambara fa hanao hetsika goavana sy faobe ny 30 aogositra hoenti-manohitra io fikasana io. Akaiky ny fifidianana, ka dia sitrany ahay azo ny vaton’ny taxi-moto? Ny fiangonana tsabahan’ny mpanao politika volomboasary toy ilay raharaha Fiangonana Jesosy Mamonjy dia niaraha-nahita ny zava-niseho. Ny fifidianana mbola tsy milamina, misy mpanao politika misosoka sy mahitahita milaza fa tompon’ny Fanjakana, hany ka toherin’ny mpino sasany ny “récépissé” mivoaka. Rehefa avy nakorontana ny mivantana na ankolaka ny Fiangonana, nangina tsy hita ilay depiote IRD, ary aoriana mbola sahy milaza fa misy devoly sy karamain’ny mpanao politika ny mpino sasany ao amin’ny Jesosy Mamonjy kanefa izy no isan’ny fositra voalohany. Iny adihevitra goavana iny indray ny fampidirana loko politika amin’ny Fihaonamben’ny tanora katolika na ny JMJ Mada hatao any Antsirabe. Tsy finiavana hanakorontana na hisintona lakolosy fa avy tao anatin’ny fiangonana ihany no nivoahan’ny loharanom-baovao fa misy ireo tanora, ireo relijiozy tsy dia nankasitraka loatra ilay loko politika. Misy rahateo ny vola fandraisana anjaran’izy ireo amin’ny fanatontosana ny JMJ. Manaja izay tapaky ny Raiamandreny dia ny Eveka izy ireo na eo aza izany. Nanadio ny sain’ny rehetra rahateo ny Fivondronamben’ny Eveka, ary nohamasin’ny Evekan’Antsirabe Mgr Philippe Ranaivomanana fa hoe: “tsy manisy olana amin'ny lokon'ny fanomezana velively ny fiangonana fa raisina amin'ny fo madio izay manolotra fanomezana sy fanampiana. Ka ho anareo izay manana olana amin'ny hira faneva sy ny resaka loko dia hivavaka sy hiombona no ataon'ny tanora JMJ aty Antsirabe fa tsy hiady hevitra amin'ny resaka loko". Tsy ny fiangonana no diso, tsy ny fiangonana no mampiditra loko politika ao aminy, fa ny mpitondra no miezaka mafy te handoko ny fiangonana amin’ny loko politikany. Na noraisina na tsia ilay fanomezana, tsy maintsy resabe foana, izay ny mpitondra no tokony handinin-tena. Ampahany ireny, fa hita taratra ilay hoe: ny mpanakorontana tsy mahay mandamina, fa ny mpandamina mahay manakorontana.
Legende:Anisan’ny tena niteraka savorovoro ny fanaovana ny digitalisation teny amin’ny oniversite (Sary Tahiry)
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT