Tsy tafavoaka ny baolina amin’ny ankampobeny ho an’ny Fanjakana tarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Olana etsy, sakoroka eroa, savorovoro ary sy atsia,…
Tsy misy antenaina firy, fa miaina amin’ny zava-misy ny Fanjakana ankehitriny, ary karazan’ny mamono afo amin’izay olana mitranga sisa no ady eo. Marina fa nahavita fotodrafitrasa maromaro, saingy ny vokatra amin’ny ankampobeny, toy ny lafiny toekarena, sosialy, fandriampahalemana,… tsy ananan’ny Fanjakana traikefa. Tsy arakaraka ny fampanantenana mirefodrefotra sy fanovana an’I Madagasikara ho paradise, fa diso fanantenana tanteraka ny olona. Maro ireo zavatra lazaina fa hovitaina ao anatin’ny roa taona sy tapany, saingy ny hoenti-manana aloha baraingo hatrany. Marefo ny Fanjakana amin’ny diplaomasia, kanefa ny kitapom-bola hoenti-manatanteraka ny fampanantenana goavana toy ny “autoroute”, Tanamasoandro,… aza mbola vola avy any ivelany no andrasana. Betsaka ny fampanantenana, izay tsy zakan’ny tetibolam-panjakana (LFR) izay andro vitsy no nandinihana sy nandaniana azy. Tsy tena misy hoe fiovana be ny LFR, fa mitovitovy amin’ny isan-taona, fa ny fampanantenana kosa mitosaka. Mahakely finoana ny hahavitan’ny fampanantenana misavovona, izay toa resaka ambony latabatra no betsaka, fa ny fanatanterahana mbola any an-kibon’ny omby. Toa karazan’ny fampandehanan-draharaha sisa, fa raha izay tanjona ho tonga lavitra mbola misavoamboana. Ny PEM (Programme pour l’Emergence de Madagascar) aza efa tamin’ny janoary no nambara fa hampahafantarina, saingy 6 volana aty aoriana tsy hita ihany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.