Politique

Fanjakana Rajoelina Efa zatra bodongerona sy hitsin-dàlana


  • Alarobia 24 Aogositra 2022

Niainga tany amin’ny fanonganam-panjakana tamin’ny taona 2009 ny hitsin-dàlana nataon’ny Fanjakana volomboasary tarihin’ny Filoha Andry Rajoelina.

Voambolana toa tsy manan-kery loatra aminy izany fanjakana tan-dalàna, fanjakana tsara tantana, demokrasia,… Hainy ny manome lesona amin’ny fifandimbiasam-pahefana ara-demokratika sy Fanjakana tan-dalàna rehefa eo amin’ny toerana izy, fa ny fomba fiasan’ny fitondrana tarihiny tsy miova amin’ny efa nahafantarana azy hatramin’izay: bodongerona, halatra, kolikoly, fanitsakitsahana lalàna,… no manjaka. Sarotra aminy ny hiaiky fa diso, fady aminy ny hanitsy famindra, fa ny azy ihany no marina. Voatsikera mafy indray ny Fitondrana ankehitriny noho ny fampanjakana ny loko politika amin’ny sehatra maro. Anisany ilay “kit” ahitana kitapo sy fitondrana rano miloko volomboasary ho an’ny mpizaika katolika hiatrika ny JMJ Mada andiany faha-10 hatao any Antsirabe. Ny fiangonana nanao fomba firesaka diplaomatika ary misoroka ny resabe sy ny disadisa, nandray ny fanomezana amin’ny maha kristianina. Tsy ny fiangonana no mampiditra politika ao aminy fa ny mpanao politika no miezaka miady sisika. Sarotra sarahana ny maha Andry Rajoelina izy tenany na “personne physique” sy izy amin’ny maha andrim-panjakana azy na “personne morale” ary mbola adihevitra ny hoe: avy aminy manokana tokoa sa avy amin’ny Fanjakana satria noresahana tao anaty filankevitry ny minisitra io? Ny andininy faharoa amin’ny lalàmpanorenana no maneho fa “Firenena iray ny vahoaka Malagasy ka mivondrona ho Fanjakana masi-mandidy, Repoblika ary tsy mampifangaro ny fitondram-panjakana sy finoana…”. Nanenjehana an’I Marc Ravalomanana io, saingy ny tsy tokony hohadinoina dia izy nanala io resaka “Laïcité de l’Etat” io tao anatin’ny lalàmpanorenana raha toa ka Atoa Andry Rajoelina sy ny ekipany no namerina izany tao anatin’ny lalàmpanorenan’ny Repoblika faha-4.
FANITSAKITSAHANA LALAMPANORENANA
Ny resaka finoana izay, fa maro ny sehatra efa nanaovana an’io, eny fa na ny “pagode” izay mari-pahatsiarovana ao Moramanga aza nolokoina volomboasary miaraka amin’ny lokon’ny IEM, raha mena sy fotsy ny lokony hatramin’izay nisiany tao. Ny Biraom-panjakana lokoina volomboasary, eny fa hatramin’ny sekoly. Vao tamin’iny faran’ny herinandro iny no notokanana ny Lapan’ny Fitsarana volomboasary tao Sainte Marie,…. “Ny Fanjakana no miantoka ny tsy fitanilan’ny fiandaniana ara-politika amin’ny fitondran-draharaham-panjakana, ny foloalindahy, ny Fitsarana, ny Mpitandro ny filaminana, ny fampianarana, ary ny fanabeazana…”, hoy ny andiny faha-39 amin’ny lalàmpanorenana. Hamafisin’ny andininy faha-49 hoe: “Ny asan’ny Filohan’ny Repoblika dia tsy azo ampirafesina amina asam-panjakana nahavoafidim-bahoaka, asa aman-draharaha hafa, asa atao anatin’ny antoko politika, vondrona politika, na fikambanana, ary fisahanana andraikitra eo anivon’ny fikambanam-pivavahana…”. Azo hampitsarahana azy amin’ny asany ny fandikana an’ireo. Ny tena goavana dia ny hoe: “Ny Filoham-pirenena no miantoka ny firaisam-pirenena” araka ny andininy faha-45 izany hoe: Raoamandrenin’ny vahoaka Malagasy, saingy raha tarafina amin’ny loko sy sary ampanjakaina, dia toa mametraka ny tenany ho Filohan’ny TGV-MAPAR samirery ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT