Tonga nitsidika ny andiany faha-53 amin’ny hetsika iraisam-pirenen’ny fiaramanidina sy ny tontolony fanao any Bourget Paris na « Salon du Bourget 2019 »
tontosaina ny 17 ka hatramin'ny 23 jona 2019 ny Jeneraly Richard Rakotonirina, minisitry ny fiarovam-pirenena ny talata 18 jona 2019. Fotoana ihany koa io hamondronana ireo orinasa mpisehatra ana habakabaka maneran-tany hatramin’izay nisian’ny fanavaozana ara-teknolojia farany. Hatramin'ny nanombohan’ny fampirantiana iraisam-pirenen’ny fiaramanidina sy ny faritra ana habakabaka natao tao amin’ny Grand Palais tao Paris, dia ny tamin’ny taona 1950 ny fampisehoana sidina voalohany tao Orly sy Bourget ary nanomboka teo dia nipaka lasa tonga tamin’ny sehatra manerantany ny hetsika. Araka ny tatitra, dia nandritra ny fitsidihan’ity minisitra ity ny hetsika no nanararaotany nijerena ireo fitaovana mety ilaina sy afaka hanampy amin’ny fampandriana fahalemana izay vina napetraky ny filoham-pirenena ho fampitaovana ny Tafika Malagasy. Mazava io fa manana eritreritra ny mbola hividy fitaovam-piadiana ny filoha sy ny fanjakana ary mety misy vola be mihodina ivelan’ny voasoratra anaty tetibolam-panjakana ao. Efa nisy ireo fiara mifono vy tsy mazava, ireo fiara tsy mataho-dalana manodidina ny 130 tsy fanta-piaviana nakarina aty Antananarivo vao andro vitsy. Zava-dehibe ny fampitaovana ny mpitandro filaminana, saingy mila mangarahara ny rehetra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.