Politique

Fanjakana efa tsisy hatoraka Atao fialana bala indray ny rivodoza ?


  • Talata 08 Febroary 2022

Sarotra ny fanarenana ny fiantraikan'ny loza voajanahary eto amintsika. Eo ny lafiny teknika, fa ny ara-bola indrindra indrindra. Mila miantehitra amin'ny mpamatsy vola sy ny mpanampy vao tena afa-mihetsika,

 saingy ny manahirana lasa hampalazan'ilay mpitondra ny tenany ny tohana Iraisampirenena, raha tsy hilaza afatsy ny tosika fameno. Volan'Atoa Rajoelina manokana ve no ampiasaina sa vola avy amin'ny mpamatsy vola sy volam-panjakana ka hiantsoana tehatehaka hoe: "merci prezida"? Ilaina sy mahavita izay vitany tokoa fizarazaran-javatra sy kimoramora, fa mila mitady vahaolana maharitra manampy izay fa tsy hoe: sady manao an'ity ihany aho no manantena tamberiny tahaka izao?
FANDANIAM-BOLA BE TANY AMIN'NY COP 26 ?
Manodidina ny 200-500 tapitrisa dolara eo ny tetibola ilaina hiatrehana rivodoza mahery vaika iray. Tsy hanana an'izany ny Fanjakana, ary efa ny antsasaky ny tetibolam-panjakana herintaona eo aza no mety mifanahantsahana amin'ny 500 tapitrisa dolara izany. Voatery namoaka ny "état de sinistre national" na antso vonjy noho ny voina ny Fanjakana mba hiporitsahan'ny fanampiana Iraisampirenena. Ankoatra izay, fa mba aiza ho aiza amin'izay ary izany ny tamberiny tamin'ny firodorodoana tany amin'ny Fivoriana maneran-tany momba ny fiovaovan'ny toetr'andro na COP26 Glasgow Écosse ny novambra 2021? Ny Minisitry ny tontolo iainana eto amintsika rahateo efa naneho ny faramparan'ny janoary fa tena tafiditra ao anatin'ny fiovaovan'ny toetr'andro izao. Nangataka ny hamoahana ny vola 100 miliara dolara ho an'i Afrika ny Filoha Rajoelina fa mby aiza? Olona efa ho 40 no nentina tany, nisy nandaniana an-tapitrisany dolara maro fa ny vokatra tsy hita. Ny "formes" na ny endrika ivelany nipoapoaka, fa ny "fonds" na anatiny, saingy efa zava-dehibe sy fahatsiarovana mitoetra tokoa angamba aloha ny "selfie" niarahana tamin'ireo firenen-dehibe.
TSISY VOLA, TSY HISY VINA SY TETIKASA
Ny coronavirus no alaolana teo aloha. Nizara Tosika Fameno sy Vatsy Tsinjo, rehefa nandeha ny fihibohana, dia tahaka ny hoe: izay no tena asa sy programam-panjakana. Ahiana ho fialana bala indray ny rivodoza. Ilaina ny fanampiana sy fanavotana ny Malagasy Traboina, fa kosa misy rindran-damina sy fiasa fa tsy hoe satria rivodoza dia tavela avokoa ny zava-drehetra. Tena misy vina sy programa ary vola hanatanterahana azy ve ny Fanjakana. Ho vita araka ny nampanantenaina ve ny "flyover" sy ny "autoroute" mankany amin'ny Tanamasoandro raha tarafina amin'ny fomba fiasa hatrizay ? Ary ilay Tanamasoandro ve ho vita mamirapiratra araka ny nampanantenaina? Firy isan-jaton'ny "pipeline" hatao any Atsimo izao no vita? Ary ny tena goavana dia ny hoe: efa voafaritra anaty tetibolam-panjakana ve ny fananterahana ireo mila soratana any ?
Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT