Politique

Fanjakana be resaka Mihirahira ho nanombok’asa no sady mipropagandy ihany


  • Alarobia 11 Mey 2022

Natomboka omaly 10 mey ny asa fanamboarana sy ny fanavaozana ny tetezan’Antsampazana sy ny tetezan’i Mangoro eo amin’ny lalam-pirenena faha 2.

Izao tetikasa izao dia vokatry ny fiaraha-miasan'ny Governemanta Malagasy sy ny Governemanta Japoney, amin’ny alalan’ny JICA Madagascar ary anisan'ny nosoniavin'ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, nandritry ny TICAD 7 tao Yokohama tamin’ny taona 2019, hoy ny fampitam-baovao. Efa tamin'ny andron'ny fanjanahantany no nanorenana ireo tetezana miisa 2 ireo ary ankehitriny izy ireo vao misitraka fanitarana sy fanamboarana ary natao indrindra hifanahaka amin’ny fitomboan'ny isan’ny fiara mifamezivezy amin’iny lalam-pirenena faharoa iny. Lalam-pirenena izay lalan-dràn’ny nosy satria mampitohy an’Antananarivo sy ny seranan-tsambon’i Toamasina izay eo an-dalam-panitarana. Mirefy 30m ny tetezan’Antsampazana vao hamboarina ary 102m kosa ny tetezan’i Mangoro. Tsy hifampiandry intsony ny fiara mifanena rehefa vita ireto fotodrafitrasa ireto satria halalaka tsara hahafahan’ny fiara mifanena ny fotodrafitrasa natomboka no sady hisy “trottoir” natokana ho an’ny mpandeha tongotra. Tsara ny manamarika fa ilay tetezan’i Mangoro teo aloha dia hajanona eo ihany mba hizoran’ny lamasinina toy ny teo aloha. Ny tetezan’Antsampazana teo aloha kosa dia ho ravana hananganana tetezana vaovao mihitsy. Tsy maintsy miasa isika hoy ny filoha Andry Rajoelina, miasa mitondra vahaolana, manangana tetikasa sy fotodrafitrasa mitondra fivoarana ary mampandroso an’i Madagasikara, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Araka izany dia mitohy hatrany ny fihirahiran’ity fitondrana ity fa izy irery hatrany no nanomboka io asa sy fanavaozana rehetra misy eran’ny tanana io. Ary raha sary hita omaly, tany Amparafaravola dia maro no nihevitra hoe efa raikitra izany ny proopagandy fifidianana Filoha ; fa dia izay mihitsy no endrik’ilay famoriam-bahoaka miaraka amin’ny dihy sy hira, tsy adino ny sorabaventy sy ny fammpanantenana.


Natolotra ho an’ny vahoakan’ny Faritra Alaotra Mangoro omaly ny fotodrafitrasa fitarihan-drano lehibe PC 23 izay natsaraina sy nohavaozina tanteraka. Tetikasa izay niarahan’ny Fitondram-panjakana tamin’ny Governemanta japoney tamin’ny alalan’ny JICA Madagascar. Hanondraka fambolena hatramin’ny 10.000ha ao amin’ny faritra atsimo andrefan’ny farihin’Alaotra izy ity. Nitarina ny toha-drano ary narenina sy natsaraina ireo fantsona fitarihan-drano mirefy 60km.
J. Mirija
 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT