Hivoaka tsy ho ela ary efa anatin’ny fanomanana tanteraka ny fanitsiana ny volavolan-dalàna hifehy ny tetibolam-panjakana 2020 (LFR 2020) ireo
tompon’andraikitra raha ny ny tatitry ny Minisitry ny Toekarena sy Fitatanam-bola, Richard Randriamandrato. Tsy maintsy jerena sy dinihana amin`ny antsipirihany ao anatin’io, ireo vaindohan-draharaha hoy ny tenany nandritra ny dian’ny delegasiona miaraka amin’ny Filoham-pirenena nankany Fianarantsoa. Anisan’izany ireo laharam-pahamehana ara-tsosialy tahaka ny sehatra ara-pahasalamana, ny fampianarana, ny fampandrosoana ny vehivavy sy ny tanora,… Tanjona ny fanatanterahana ihany koa ilay drafi-pampandrosoana PEM (Plan Emergence Madagascar) hoy ny Minisitra. Hamoraina ny fomba fiasa Tokony ho hita taratra ao anatin`io LFR 2020 nasiam-panitsiana ny fanamorana ny asa mba hanainga haingana ny toekarena. Araka izany dia hisy tetikasa fanamboarana trano lehibe any amin’ny Faritra Matsiatra Ambony izay ahitana birao maro tahaka ny eo anivon’ny sampan-draharahan’ny hetra, ny fadin-tseranana, ny INSTAT. Izany no hatao mba ahatanteraka ireo asam-panjakana maro. Hanamorana ny asa no tanjona hoy ny Minisitra ary ho lafatra ny fandraisana ireo mpandalo manao zavatra eny.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.