Politique

Faniry Razafimanantany “Anjaran’ny vahoaka no mandray fanapahan-kevitra”


  • Talata 18 Aogositra 2020

Tsy azo ialana ny hoe hifamatotra amin’ny krizy ara-pahasalamana ny krizy ara-tsosialy ary hifandray amin’ny krizy ara-tsosialy ny krizy ara-toekarena dia io hitantsika mitarika amina krizy politika io,

 

hoy ny sekretera jeneralin’ny vovonana Malagasy manarina firenena na VMMF, Faniry Razafimanantany. Efa mizotra any amin’ny fialana amin’ny fihibohana isika io. Tokony hiverina amin’ny laoniny ny sehatra rehetra aorian’izay. Ny olana izao dia eo amin’ny fanabeazana. Fantatsika fa ny eo anivon’ny minisiteran’ny fanabeazana dia tsy mbola ahitana taratra amin’ilay fahavononana amin’ny fiatrehana fanadinam-panjakana. Mbola tompon’andraikitra vonjimaika sy tsy tazana mihitsy no eo ary misy ny fitakiana samihafa toy ny ataon’ny CNAPMAD sy ny samihafa. Manana olana daholo ny sekoly miankina sy tsy miankina. Reraka koa, mazava ho azy, ny ray aman-drenin’ireo mpianatra. Ahoana no hiatrehana izany eo amin’ny ray aman-dreny sy mpianatra? Ny tsy fahampiana ara-bola, ny fiakaran’ny vidim-piainana, ny fitombon’ny mahantra, ny fitombon’ny harin-karena mitotongana ary iaraha-mahita ankehitriny ny fahaverezana asa marobe. Aman-taonany ny manarina izay rehetra izay sy izay mbola tsy voatonona, hoy ny fanazavany, ka tokony ravana ilay fihibohana hahafahan’ny rehetra mamaha haingana izay. An’ny fanjakana no tokony mitady ny vahaolana maharitra fa ny maika aloha dia ahoana no hanarenana ny fiharian-karen’ny isam-batan’olona? Tsy manana vahaolana intsony aho omena ny fitondram-panjakana, hoy izy, fa anjaran’ny vahoaka no mandray ny fanapahan-kevitra tandrify azy satria inona no mbola ho lovain’ny taranaka ao anatin’izao?

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT