Politique

Fanirisoa Ernaivo sy ny ADM Nangataka fanafoanana ny fifidianana Filoha 2018


  • Zoma 12 Martsa 2021

Tonga tetsy amin’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana na HCC Ambohidahy omaly 11 martsa 2021

 

 ny solontenan’ny kandida ho filoham-pirenena ny taona 2018, laharana faha 24, Fanirisoa Ernaivo, sy ny filoha lefitry ny ADM na “Association pour le droit et developpement de Madagascar”, ny solontenan’ny tanora Tiako I Madagasikara, ny tanora RMDM, ary ny solontenan’ny filohan’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara monina any ivelany na RMDM Diaspora. Napetrak’izy ireo teo anivon’ity rafi-pitsarana ity ny fangatahana fanafoanana ny fifidianana fiodinana voalohany tamin’iny 2018 iny. Betsaka ireo hosoka nitranga, hoy ny fanazavan’ny filoha lefitry ny ADM, Rodo Razafindrakoto. Hita tamin’ny fanadihadiana nataon’ireo kaomisionin’ny antenimierandoholona izany. Betsaka no tsy nilamina. Nisy verin-droa na “doublon”. Mitady fitantanana mangarahara isika nefa fosika daholo no ao anatiny. Tsy maintsy mihetsika izahay fa tsy mety amin’ny Malagasy izany. Efa nametraka fitarainana izahay fa tsy nisy tohiny. Niampy ilay Covid 19 dia nijanona hatreo ny resaka. Tsy afa-nanao na inona na inona intsony. Izao mba milamina indray dia alefa indray ilay izy. Apetraka aloha ny fangatahana na dia hita ho tsy nandeha amin’ny laoniny aza ny nataon’ny HCC teo aloha. Asa raha ho olon-kendry ny vaovao hipetraka eo na hitovy amin’ilay teo aloha fa ho hita eo. Mitohy foana io fa tsy mijanona raha mitovy amin’ny teo aloha ihany ny manaraka. Ao anatin’ny lalana, na olona iray fotsiny aza no miala ao anatin’ny fifaninanana dia tsy mitombona ny fifidianana. Raha olona iray fotsiny no tsy tokony ho ao nefa ampidirina ao dia efa tsy mitombona ilay fifidianana. Tao anefa nisy 1.162.000 isa mahery kely tsy ara-dalana. Nilaza ny filoha lefitry ny CENI fa misy zavatra tsy mety ao. Nanao ny azy koa ny antenimieran-doholona dia nahita koa fa misy tsy mety ao. Hijanona fotsiny amin’izao ve izany isika nefa be dia be no tsy mety, hoy hatrany izy ireo ?

 J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT