Politique

Fanirisoa Ernaivo “Nataon’i Macron maivoka i Rajoelina”


  • Alarobia 01 Septambra 2021

Rehefa tsy hanao tatitra Andriamatoa Andry Rajoelina dia indro ary ny famintinana ny fihaonana tamin'ny Filoha Macron : Tena mafy ny nahazo an'i Rajoelina tao amin’ny Elysée, hoy Rtoa Faniry Ernaivo.

 Nambarany fa mandainga ny Filoha fa tsy nanao “tête à tête” izany izy sy Macron tao fa nisy “conseillers 2” niaraka tamin'i Macron. “Voan'ny “recadrage” faran’izay henjana : Tsy misy fangaraharana ny fitantanana, aiza ny tatitry ny vola momba ny covid, ny “accusation”-nao tsy mety, misy porofo ve ? Maninona tsy nampanantsoinao ny Ambasadaoron’i Frantsa raha nisy tokoa ny Apollo 21 hoe: la France no ambadika ny fikasana hamono anao?”, hoy ny tatitra nataon’ity mpanao politika Malagasy mialokaloka any Frantsa ity. I Rajoelina mamaky “fiche” no nataony mamaly ireo fanontaniana napetrak’i Macron. Fiche no vakiany, tena afa-baraka tanteraka tao fa nataon'i Macron tsy nisy dikany, nilaza tamin'i Macron izy hoe “temporaire” na vonjimaika io fotsiny io gouvernement io fa ho soloiko afaka 6 volana, hoy hatrany i Fanirisoa Ernaivo. Izay no firesaky ny mpanohitra, fa ny an’ny Fanjakana kosa tsy tena mazava ny tatitra momba io fihaonana io, fa nanjavozavo tanteraka. Nialohan’ny fihaonana rahateo no nanao valan-dresaka ny Filoha roa tonta. Zon’ny Fanjakana tanteraka ny manao fandisoana sy mitondra ny tatitra ofisialy eo anatrehan’ny resabe tahaka itony. Hatreto ihany koa aloha izany, dia mbola miriaria tsara any Frantsa, ary vao mainka mivatravatra amin’ny fanehoan-kevitra sy fanakianana fitondrana Rtoa Fanirisoa Ernaivo, izay nambaran’ny Minisitry ny fitsarana ny herinandro lasa teo, fa tsy maintsy hosamborina , ary fampiharana didim-pitondrana efa nivoaka no atao. Nambara fa efa fantatra rahateo ny toerana misy azy, ary misy ny fiaraha-miasa ara-pitsarana eo amin’ny firenena roa tonta. Mbola nisy ihany koa aza ny fampitandremana nilazana fa hisy ny fandraisana andraikitra ny Fitsarana eo anatrehan’ireo olona manala baraka ny filoha any ivelany. Andrasana ny fahatanterahan’izay, fa hatreto aloha dia tsy mifampitsitsy sy tena mifanao sakay sy maso ny andaniny sy ny ankilany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT