Politique

Fanirisoa Ernaivo Miantso NOTAM ho an’I Rajoelina


  • Alakamisy 11 Aogositra 2022

Raha amin'izao Rajoelina tsy any an-toerana izao no miray hina ny mpanohitra sy ny miaramila manao NOTAM ho azy sy misambotra ny lehiben'ny dahalo ambony latabatra Ravatomanga sy Rakotomanga ary Ntsay,

hain'i Rajoelina amin'izay izany hoe tsy misy krizy ao Madagasikara izany!!” Io no fehezantenin’ny filohan’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara, sampana Diaspora any Frantsa, Fanirisoa Ernaivo, tao amin’ny tambazotran-tserasera Facebook omaly. Miantso NOTAM na “notice to airmen”, izany hoe fandrarana ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, tsy hiditra ny habakabak’I Madagasikara intsony ho tanterahan’ny vahoaka Malagasy manontolo ny tenany, araka izany, raha ity fanambarana ity no jerena. Miantso ny fisamborana ireo lazainy fa dahalo ambony latabatra eto ihany koa. Hita ho sahy mampiakatra ny maripana politika eto amin’ny firenena hatrany, araka izany, ireo mpanohitra any ivelan’ny nosy. Asa izay ho tohiny!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT