Politique

Fanirisoa Ernaivo Mbola mitohy ny dosie Ravatomanga


  • Alarobia 13 Aprily 2022

Mifoha indray ny dosien Atoa Mamy Ravatomanga mpandraharaha mpanefoefo eto Madagasikara Tsy hamelan dry Fanirisoa Ernaivo fa fongoriny sy hitadiavany làlana hatrany

Raha naneho ity mpandraharaha matanjaka ity ny 01 aprily lasa teo, fa efa milamina ny raharaha fanenjehana azy momba ny ahiahy fanangonan-karena tsy ara-drariny tany Frantsa, dia niporitsaka indray ny dosie avy amin-dry Faniry Ernaivo fa mbola tsy afa-bela Atoa Mamy Ravatomanga. Ny 07 febroary lasa teo mantsy, nisy ny taratasy nalefan’ny mpisolovava Amélie Lefebre mpiaro an’i Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia tamin’ny PNF (Parquet National Financier) any Paris, momba ny dosie fitoriana an’i Mamy Ravatomanga, izay nijoroan’i Rolly Mercia vavolombelona. Nanontany na efa nikatona ny fanadihadiana na mbola mitohy, ary nampahafantatra fa mbola tazonina am-ponja ny vavolombelona. Tsy niandry ela fa ny 8 febroary, dia efa nivoaka ny valin’io, ka namaly ny tonia mpampanoa lalàna Quentin Dandoy Vice procureur financier fa misy ny fanokafana fanadihadiana savaranonando, ary mbola mandeha ny dosie. Tsara ny manamarika fa nijoro vavolombelona nandetika an’i Mamy Ravatomanga ho manao trafikana boaderozy, mangoron-karena tsy ara-drariny,… i Rolly Mercia. Notorian’i Mamy Ravatomanga nanao fijoroana vavolombelona tsy marina, ary nidoboka any Antanimora nanomboka ny jolay 2020. Nilaza koa Atoa Mamy Ravatomanga, fa tsy misy mitombina ny fanenjehana fa fanalam-baraka ary efa noafahan’ny fitsarana izy, miverina aminy ny fananany. Io nanaovan’i Faniry Ernaivo sy ny ekipany ampamoaka io indray anefa ka lazainy fa tsy marina ny voalazan’ity mpandraharaha malaza ity. “Lainga be izany ny nilazany fa efa nohafahan’ny “Cour d’appel” izy. Mbola hitohy io raharaha io, ny famotsiam-bola sy fanaovana hosoka ara-ketra dia melohin’ny lalàna”, hoy i Faniry Ernaivo. Asa hanao ahoana re no hiafaran’ity fifanenjehana ity e? Tantara mitohy !
Toky R
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT