Politique

Fanirisoa Ernaivo “Amin’ny zoma sy sabotsy mifankahita…”


  • Alarobia 25 Aogositra 2021

Miha mangotraka ny ady ara-tserasera sy fifanenjehana eo anatrehan’ny fivahinianan’ny Filoha any Frantsa, izay nisiana hetsika maneho fanohanana sy fanoherana azy ny faran’ny herinandro.

 Omaly, mbola nitohy io. « Nandritra ny Fihaonamben'ireo Mpandraharaha avy amin'ireo firenena miteny Frantsay tao Paris 'Rencontre des Entrepreneurs Francophone" izay nanasàna ny Filoham-pirenena Malagasy sy ireo mpanam-pahefana maro samihafa avy amin'ny firenena maro ary ireo mpandraharaha, dia nisy andian'olona vitsy kely miisa 4 teo izay avy amin'ireo RMDM Diaspora notarihan'i Fanirisoa Erinaivo tonga teo an-toerana nikasa hanakorontana sy higafy ny lanonana ary saika hanao barofo hiditra tao anatin'ny toerana fivoriana kanefa tsy nahazo fanasàna no noroahan'ireo Polisy mpiambina teo an-toerana saingy be famaliana sy mbola nidongizina nakanaka sary teo ka saika nosamborin'ireo mpitandro filaminana ka vaky nandositra avy hatrany. Mpanohitra bontolo, tsy mahalala menatra…”, hoy ny andaniny. “Misy manely tsaho hoe nosamborin’ny polisy aho. Nijery an’ilay toerana izahay hoe inona izany toerana hanaovan’izy ireo fihaonana izany. Nijery ilay toerana izahay satria nangataka fahazoan-dàlana hanao fihetsiketsehana, saingy tsy misy toerana malalaka eo, ka eo anoloan’ny masoivoho ihany no mety amintsika satria eo omby olona be dia be. Rahampitso (anio) dia zavatra hafa no ataonay, fa “surprise”, fa amin’ny zoma sy sabotsy dia nahazo fahazoan-dàlana isika hanao fihetsiketsehana eo amin’ny masoivoho. Miteny amintsika rehetra hoe aza mety fendrofendroin’ireo. Lazaina fa voasambotra i Fanirisoa, ka mbola tsy teraka ny olona hisambotra ahy, mbola tsy teraka eto Frantsa. Aty toeran’ny demokrasia ka tsy misy olona sambotsamborina izany satria hoe tsy mahafaly an’I Andry Rajoelina. Amin’ny zoma sy sabotsy no fotoana, aza misy matahotra, mitondra sarom-bilany, kiririoka,… Tongava daholo fa tsy misy atahorana, fa matahotra ireo, izay no mahatonga an’ireo manely tsaho”, hoy kosa I Fanirisoa Ernaivo. Lasin’ady na fivoriana hanehoana ny tsy fankasitrahana io Fanjakana io sy ny fitakiana ny fialan’i Andry Rajoelina, hoy i Fanirisoa Ernaivo. Andrasana indray izay ho tohiny.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT