Politique

Fangatahana ireo rambon-tany atsimo Tafiditra ao anatiny ireo nosy manodidina


  • Alatsinainy 12 Jolay 2021

Efa nisy ny fangatahana nataon’I Madagasikara tany amin’ny firenena mikambana mikasika ny tokony hahazoantsika ireo rambon-tany atsimo na “plaque continentale Sud”,

 hoy ny fampahatsiahivana nandritry ny lanonam-pamaranana ny faha 45 taonan’ny OMNIS tetsy Analakely ny sabotsy teo. Rehefa nandeha ny dingana dia fantatra fa misy tsy ampy ihany ny dosieantsika momba izany, hoy ny tale jeneralin’ity sampan-draharaha misahana ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany sy loharano stratejika ity, Nantenaina Rasolonirina. Fantatra taorian’izay fa misy antotan-kevitra tekinika takiana, hoy izy. Nitady fiaraha-miasa isika noho izany mba hahafahana manao ilay izy satria volabe no takiana ao anatiny. Misy amin’izao fotoana izao ny fandinihana izany hahatongavana any amin’ny fikirakirana ireo atontan-kevitra ataon’ireo tekinisianina Malagasy. Rehefa vita ny fikirakirana dia miroso amin’ny fanampiana ireo atontan-taratasy ahafahana miroso amin’ilay fangatahana. Mbola manana fotoana isika ahafahana manatontosa izay fikirakirana atontan-kevitra izay. Betsaka ireo harena tokony ho azontsika ao anatin’izany raha ny henontsika tao anatin’izay 3 andro nanamarihana ny faha 45 taonan’ny OMNIS izay toy ny resaka harena an-kibon’ny tany, ny solika, ny harena an-dranomasina, ekolojika sy maro hafa satria tena midadasika io toerana voaresaka io. Tafiditra ao anatin'izany faritra na rambon-tany voalaza izany moa ireo nosy manodidina an’I Madagasikara, raha ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny antoko politika Otrikafo, Elia Rabevahiny, izay isan’ny nandray anjara tao anaty adihevitra momba azy ity.

J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT