Tsy nahitam-pivoarana azo tsapaina, raha ny resaka fangaraharaham-pitantanana Malagasy, no lazaina. Io no vokatry ny fanadihadiana nataon’ny departemantam-panjakana Amerikanina
mikasika ny fipetraky ny atao hoe fangaraharaham-pitantanam-bola aty Afrika nivoaka ny faran’ny herinandro teo. firenena miisa 53 no nanaovana fanadihadiana ka ny 16 amin’ireo ihany no azo lazaina ho misy izay fangaraharahana mahafa-po izay ka isan’izany i Afrika atsimo, Botswana, Burkina faso. Miisa 12 kosa ireo nahitam-pivoarana toa an’I Alzeria sy Angola ary I Benin. Tsy nahitam-pivoarana kosa, araka izany, ireo 25 ambiny toa an’I Madagasikara, Centre Afrique sy Kaomoro ary Kongo, raha ity fanadihadiana ity hatrany. Manana ny anjara toerany amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena sy ny fifanakalozana ary ny mety ho fiarahamiasa amin’ny ho avy ny tatitra tahaka itony. Tsara ho marihana fa fanampiana avy any ivelany no mandrafitra ny 75% n’ny tetibolam-panjakana ho an’ny firenena Malagasy, izay aloha ny zavamisy hatreto .Firenena tena mbola miankin-doha amin’nyfanampiana avy any ivelany i Madagasikara ka hatramin’ny vary foto-tsakafo aza dia misy ampahany hafarana avy any ivelany, tahaka izany ihany oa ireo entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro to any menaka, sira, siramamy, labozia.Mila ezaka .
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.