Isan’ny nandrasan’ny mpanara-baovao maro ny tatitry ny filankevitry ny Minisitra omaly 15 septambra 2021, ka niompanan’ny sain’ny maro ny hoe:
hanao ahoana ny ho avin’ny Minisitry ny serasera Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy mivady taorian’ny resabe nahazo azy ireo. Tao anatin’ny andro vitsy mantsy no nandeha ny resaka amin’ny mety ho fanaisorana amin’ny toerana. Maro rahateo ny mpandinika sy mpamakafaka maneho, fa mety ho lasa fakan-tahaka ny nahazo ny Minisitra Brice Randrianasolo, izay 3 andro monja dia natosika nametra-pialana. Zavatra tsy nisy hidiran’ny naha minisitra azy no nahavoatonona io minisitra efa niala io, ary mbola azony niadian-kevitra tsara, efa nilaza rahateo izy fa efa noafahan’ny fitsarana. Mba hialana tamin’ny resabe momba azy manokana sy tsy haha ratsy laza ny governemanta kosa dia niala. Mifankaiza amin’izany ilay raharaha mikasika ny minisitra mivady? Toa manamarina amin’ny ampahany ny raharaha aza ilay fisiana fanagiazana fitaovam-piadiana.
TSY MANDRAY FANAPAHAN-KEVITRA ANATY TSINDRY
Ny zavatra tsikaritra ao anatin’izao savorovoro izao aloha, dia tsy misy endrika firaisan-kinan’ny governemanta amin-dRtoa Lalatiana Rakotondrazafy mihitsy. Tsy nisy fanapahan-kevitra sy lohahevitra manokana momba ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra omaly, raha matetika ahitana izany hatrizay. Azo vinavinaina ho tsy misy fanapahan-kevitra raisina, fa miandry izay ho tohin’ny tantara momba ny minisitra aloha. Nalaza ny hoe: hoesorina Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy, saingy raha ny fomba fiasan’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina hatramin’izay, dia tsy mandray fanapahan-kevitra anaty tsindry na “préssion” izany ny tenany, fa miandry fotoana hafa. Mety tsy te haneho ihany koa ny governemanta ny hoe: ao anaty herinandron’ny antso antso hoe: esory ve dia hanala marina. Na tiana na tsy tiana, manaratsy endrika ny governemanta sy ny Fanjakana manontolo io toe-draharaha io, indrindra fa teo ilay fanazavana nentin’ny Prefen’Antananarivo naneho fa tena nisy feom-basy teny Ambatobe, nisy basy nogiazana, ary nitsaran’ny olona ny Fanjakana Rajoelina ho toy ny Fanjakan’I Baroa ilay hoe: olona nitazona basy tsy tokony ho eny amin’ny sivily saingy mbola afaka niriaria tany Nosy Be ary tsy notazonina. Asa natao ho an’iza marina ny lalàna? Ny tsy fisiana fandraisana andraikitra eo anatrehan’io dia hiteraka fanasokajiana sy fiantsoana ny Fitondrana ankehitriny ho “Fanjakan-jiolahy”. Andrasana ny tohiny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.