Politique

Fanenjehana ny lehiben’ny distrikan’i Vohémar Nomelohin’ny SYNAD


  • Alarobia 29 Mey 2019

Tsy mankasitraka sy manameloka tamin’ny fihetsika natao tamin’ny namany ny SYNAD (Syndicat National des Administrateurs civils) eo anatrehan’ny toe-javatra nahazo ny lehiben’ny distrikan’i Vohémar ny alahady 26 mey teo.

 

Sokajian’izy ireo ho fandikan-dalàna sy fanalam-baraka ary ny herisetra ara-tsaina sy ara-batana, izay miendrika fitsaram-bahoaka no natao tamin’io solontenam-panjakana teo am-panatanterahana ny asany. Nambaran’izy ireo fa fanosihosena ny fahefam-panjakana sy ny fanivaivana ny antokon-draharahan’ny Administrateurs Civils, izay miendrika fitsaram-bahoaka ary manohintohina ny fizotry ny fifidianana. Mitaky ny handraisan’ny Fanjakana fepetra hentitra amin’ireo rehetra tompon’antoka tamin’iny raharaha iny, izay ahitana olona natao hampihatra sy hampanaja ny lalàna ary hitaiza ny olom-pirenena, hoy ny SYNAD. Mangataka ny Fanjakana hamoaka ao anatin’ny fe-potoana ara-drariny ny hoenti-manana amin’ny fampandehanan-draharaha amin’ny fifidianana mba hisorohana ny trangan-javatra mampalahelo toy izao, hoy izy ireo. Nosamborina noho ahiahina kolikoly izy io, ary kandida miisa 12 no niara-nitory, raha ny voalazan’ny fampahalalam-baovao samihafa, izay nodisoan’ny mpitandro ny filaminana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT