Miandry ny tena fanombohan’ny asan’ny Fitsarana Avo (HCJ) aloha ny olom-pirenena. Ny 20 febroary lasa teo ny lanonana ara-pitsarana fianianan`ireo mpikambana ao anatin`ny Fitsarana avo (HCJ).
Raha ny fanambarana nataon`ny sekretera jeneralin`ny ministeran`ny fitsarana dia miaiky ny fahasarotan` ny fanenjehana ara-pitsarana an`ireo olom-panjakana ambony ny eo anivon`ny minisiteran`ny fitsarana. “Tokony ho efa eritreretina dieny izao ihany ny fomba entina manamboatra ny lalàna mifehy an`io fanenjehana an`ireo mpitondra ambony io. Olana mitoetra miteraka ny fiandrasan` ny HCJ an`ireo mpitondra ambony ny hevitr`ireo depiote amin`ny fanenjehana na tsia azy ireo. Ahoana ny hahafahan`ny Antenimieram-pirenena manana fijery mitanila na ihany koa tsy mijery olon`antoko na izany voalaza fa resaka malety izany ka hanaja ny tany tan-dalàna. Ahoana amin`izay ny fitsarana an`ireo olona ambony ireo satria raharaha iray ihany no tsaraina ?”. Manamafy ny fanambarana nataon`ny minisitry ny fitsarana teo aloha, Jacques Randrianasolo, mahakasika ny mampitarazoka ny fanenjehana ireo manampahefana ambony voakasika momba ny raharaha kolikoly sy ny halatra teo amin`ny firenena. Niaiky ity minisitra ity tamin`izany fa mila fanovana maika ny lalàna mahakasika ity HCJ ity. Mandringa na koa misy tsy mety ve ity lalàna mahakasika ny HCJ ? Toa manasarotra ny fampiharana ny lalàna ka rariny loatra raha foanana fotsiny izao ny HCJ, hoy ny SEhatra FAnaraha-maso ny FIainam-pirenena (SeFaFi) nandritra ny fanambarana nataony ny 25 aprily 2019. “Amin’izay fotoana izay ny tompon’andraikitra ambony eto amin’ny firenena dia hitovy lenta amin’ny olom-pirenena tsotra... ary izay no tena rariny!”. Raha tsiahivina, raharaha 13 no efa eo am-pelatanan`ny Antenimieram-pirenena ka hiandrasana ny fanapahan-kevitr’ireo depiote. Amin`ny fiandohan`ny volana mey 2020 ho avy izao no handinika momba an`izany ry zareo eny Tsimbazaza.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.