Politique

Fanenjehana minisitra teo aloha Anio no hanapa-kevitra ny depiote


  • Talata 24 Novambra 2020

Anio 24 novambra 2020 no hanao ny tatitra momba ny fanadihadiana momba

 

 

ireo raharaha goavana mahasaringotra olona ambony ny Kaomisionina misahana izany eo anivon’ny Antenimieram-pirenena, raha ny fandaharam-potoana na “agenda” voaray. Io no ahafahana manolotra ireo tompon’andraikitra ara-panjakana ambony voarohirohy amina afera sy dosie goavana samihafa any amin’ny Fitsarana Ambony (HCJ), ka minisitra 3 na 4 eo no eo am-pelantanan’ny Antenimieram-pirenena ny fanapahan-kevitra momba azy na hatolotra ny HCJ na tsia. Araka ny fandaharam-potoana rahateo, dia aorian’ny fanolorana ataon’ny Kaominisionina manokana no handeha ny tsangan-tànana ao anatin’ny fivoriam-be hitambarana ny handetehana na hamotsorana ireo minisitra teo aloha voasaringotra. Isan’ny voatonona ao anatin’izany Atoa Reboza Julien, Anthelme Ramparany, Onitiana Realy,… Misy amin’izy ireo no efa tsy eto an-tanindrazana intsony. Mety hamaritra ny ho avy politika eto ny fanapahan-kevitr’io andrim-panjakana io. Mety hipongapongatra ny dosie goavana aoriana ao, ary hifandimbiasana ny fifanenjehana. Olon’ny HVM aloha no ankamaroan’ny voasaringotra amin’izao fotoana izao ary rehefa hisy ny fiovam-panjakana dia anjaran’ny olon’ny fanjakana ankehitriny indray no hivezivezy eny amin’ny Bianco, PAC, HCJ,… rehefa zohiana ny tantara. Samy nanjakan’ny afera sy ny kolikoly rahateo ireo Fanjakana nifanesy, fa tsy hoe ny teo alohan’izao ihany. Tsy vitsy ireo dosie tsy nisy tohiny toy ny ahiahiana kolikoly nanodinkodinana fiara tsy mataho-dàlana miisa 9 teo tamina minisitera iray notantanin’ny minisitra iray teo aloha manana anjara toerana any an-dapa amin’izao fotoana izao, ny trafikana andramena izay nanaovan’ny Pr Zafy fitoriana fahavelony ary efa nisy fotoana namoaka lisitra ihany koa ny Praiminisitra teo aloha Atoa Jean Omer Beriziky, raharaha “bonbons sucettes” 8 miliara, ny resaka “écran plat” 216 tapitrisa ariary, ny trafikana harem-pirenena samihafa, ny fifanarahana maloto tamin’ny vahiny,…

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT