Any amin’ny fananganana ny governemanta iraisana indray no ezahin’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita (FAT) isarihana ny sain’ny Malagasy, mba tsy dia hifantoka loatra amin’ny resaka fahasahiranana na koa ny tsy fandriampahalemana ireto farany.
Ny filohan’ny FAT, Andry Rajoelina, rahateo raha nidina ifotony nizaha ny toerana 55ha hanorenana Tranon’ny Fitiavana teny Anosiala ny herinandro lasa iny, dia nilaza fa aorian’ny fivoahan’ny vokatra ofisialin’iny fitsapan-kevi-bahoaka iny ny fanamboarana ny governemanta. Hotanana amin’ny toerany sa hosoloina ny Praiministra ? Fanontaniana mipetraka io. Raha hisy ny fanendrena Praiministra vaovao dia mbola fanontaniana koa no mipetraka na ny fifanarahana niarahan’ny ESCOPOL sy Andry Rajoelina nanao sonia teny amin’ny Centre de Conférences International Ivato ny zoma 13 aogositra 2010 na ny lalàmpanorenana vao nakana ny safidin’izay tonga nifidy ny 17 novambra 2010 no harahina ? Tsy iray fiaviana (anindrana na afovoan-tany) amin’ny filohan’ny tetezamita, ary ny maro an’isa ao amin’ny ESCOPOL no manolotra izay ho Praiministra ary manamafy amin’ny didim-panjakana fanendrena fotsiny ihany ny filohan’ny tetezamita, raha ny fifanarahan’Ivato no ampiharina. Mivoaka avy amin’ny maro an’isa eo anivon’ny Antenimiera kosa ny Praiministra raha ny lalàmpanorenana no harahina. Tsara toerana ny TIM nisintaka sy ny TGV amin’io. Ka aiza no haleha ? Tsy ho mora ny adihevitra mikasika an’io. Hiteniteny ihany koa ny vola ao anatin’izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.