Politique

Fanendrena Praiministra iraisana Miandry amin’ny faran’ny volana


  • Talata 18 Janoary 2011

Na milaza ho dodona amin’ny fanendrena praiministry ny marimaritra iraisana aza ny tao Ambohitsorohitra dia fantatra izao fa mbola any amin’ny faran’ny volana janoary any vao ho fantatra ny olona hitana io toerana eny Mahazoarivo io, ka hitarika ilay governemantan’ny fisokafana taratry ny firaisam-pirenena.

Nihazakazaka ny fivoaran’ny vaovao raha ny omaly. Teo am-piandohana dia hoe ho ato anatin’ny 48 ora no hanendrena io Praiministra io. Loharanom-baovao iray hafa aza no efa namaritra mazava fa ny 19 janoary no hotendrena ny praiministra ary ny 22 janoary, raha ela, no hitsangana ny governemanta. Anarana maromaro no mandehandeha any, ka anisan’izany ny an’ny jeneraly Camille Vital, izay efa tohanan’ny TGV ary re koa izao fa iombonan’ny UDR-C sy ny ekipan-dRaharinaivo. Omaly tamin’ny fiafaran’ny tolakandro anefa dia nivoatra ny vaovao fa dia miandry amin’ny faran’ny volana janoary io fanendrena Praiministry ny marimaritra iraisana io. Raha izay tetiandro izay no raisina dia mifanojo indrindra amin’ny hahataperan’ny iraka ataon-dry Leonardo Simao (SADC) manohy ny asa fanelanelanana eto an-toerana izany.

Ny lojikan’izay dia hisy dian-tanan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny fanendrena izay ho Praiministra eo. Tsy ho azo ihodivirana rahateo izany satria dia fankatoavana irasam-pirenena no ao ambadik’izany. Ny fikaroham-baovao natao halina no nahalalana fa efa manaiky izay fotokevitra izay i Andry Rajoelina, na teo aza ny kabariny tamin’ny 14 janoary nilaza fa fisokafana no atao fa tsy misy fifampiraharahana intsony. Tsy kabary toy ireny, hoy rahateo i Manandafy Rakotonirina no hahazoana fankatoavana iraisam-pirenena. Ho hita eo ny fivoaran’ny raharaha fa dia mitohy ny dinika an-jorony, ao koa ny fifanatonana ary fifandresen-dahatra etsy sy eroa.

 Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT