Fanendrena Praiminisitra

> Tsy tokony hisy adihevitra izay voalazan’ny lalŕmpanorenana


  • Talata 25 Febroary 2014

Nitondra ny heviny mikasika ny zava-misy lalovan’ny firenena ankehitriny ny CAEED amin’ny maha tompon’andraikitra azy ireo ao anatin’ny fampiharana ny tany tan-dalŕna.

Nambaran’izy ireo tamin’izany fa tsy tokony hisy adihevitra intsony ny fanendrena ny praiminisitra satria mila manaraka ny voalazan’ny lalàmpanorenana ny rehetra. Notsindrian’izy ireo fa nanaovan’ny filoham-pirenena fianianana teny Mahamasina izy io ka tokony hohajaina sy hankatoavina. Notsindrian’izy ireo  fa ny vondrona manana ny maro an’isa eo anivon’ny Antenimieram-pirenena no mila manendry ny praiminisitra. Raha izao mantsy no mitohy, hoy izy ireo dia mety hiditra krizy vaovao indray ny firenena ka hijaly ny vahoaka. Manoloana izany dia miantso ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina tsy hanana fanahiana ny amin’izay praiminisitra hiara-kiasa aminy izy ireo. Raha samy manao ny asany an-kalalahana mantsy ny roa tonta ka tsy mifampitsabaka andraikitra dia vetivety monja dia ho vita ny dimy taona voalohany. Toraka izany koa izay ho praiminisitra mba hahay hipetraka tsara amin’ny toerany. Namaranan’ny CAEED ny fanehoan-keviny omaly moa ny hoe : rehefa tsy mifanaraka ny samy mpanao politika dia aleo ny lalàna no hiasa.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT