Efa nahazatra ireo mpanongam-panjakana nitantana ny firenena nandritra ny dimy taona ny tsy mijery afa-tsy ny tombontsoa manokana sy ny tsy fihainoana ny hevitry ny hafa. Mora tamin’izy ireo ihany koa anefa ny manipy andraikitra any amin’ny hafa rehefa tsy mandeha araka ny tokony ho izy ny raharaham-pirenena ka lazaina fa fiaraha-mitantana no misy eto Madagasikara.
Raha raisina manokana, ohatra, ny fanendrena ny praiminisitra izay fahefan’ny filohan’ny Repoblika amin’ireo anarana aroson’ireo mpikambana ao amin’ny Antenimieram-pirenena dia nohasarotin’ireo sokajin’olona manam-pahefana nandritra ny tetezamita indray izany ka nampiana fa izay antoko na vondron-kery politika maro an’isa no manolotra ireo anarana ireo. Milaza rahateo ireo lohandohan’ny mpisorona nitantana ny firenena nanomboka tamin’ny taona 2009 ka hatramin’izao fiandohan’ny taona 2014 izao fa «tsy mitady seza fa ny seza no mila azy» ireo, kanefa raha ny zava-nisy niainana teto dia ny mifanohitra tanteraka amin’izay no nitranga sy mbola iainana. Kajikajy politika daholo mba ahazoana toerana mantsy no nisongadina ary mbola hiadian’ireo sokajin’olona ireo izany ankehitriny. Asa na mahina amin’ny ataony tokoa ny olona na tsy matoky ny tenany intsony ka dia miezaka hatrany mba hitongilana any aminy ny vintana. Ny azo ambara aloha dia tompon’andraikitra feno amin’ny fahefana sy fanapahan-kevitra izay horaisiny eo anatrehan’ny vahoaka amin’ny fanendrena izay praiminisitra hiara-kiasa sy hanatanteraka ny fandaharan’asa novolavolainy ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara. Ny irariana fotsiny dia mba hijoro amin’ny maha raiamandrenin’ny Malagasy tsivakivolo azy ny filoham-pirenena vaovao ka tsy hoteriteren’ny mpanao politika sy ny akamakama. Mila olona tena mahalala sy mahafantatra tsara ny fijaliana sy fahorian’ny vahoaka tokoa mantsy izay ho lehiben’ny governemanta vaovao eo. Efa ampy izay ny fampanantenana poakaty sy ny fahaizana mikabary tsara lahatra ary ny fampirevena ny vahoaka mandritra ny asaramanitra izay nampiavaka ny fitondrana tetezamita. Tonga tokoa mantsy ity ny fotoanan’ny asa fanarenana ny fiarahamonina sy ny fampandrosoana ny firenena izay takian’ny mpiray tanindrazana manerana ny Nosy.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.