Mizotra miandalana ny fananganana ireo andrimpanjakana samihafa dia ny Antenimieram-pirenena sy ny governemanta taorian’ny nahavitan’ny fifidianana solombavambahoaka. Ho an’i Albain Rabemananjara, filohan’ny «Club Développement et Ethique (CDE)» dia tokony hotanterahina araka ny lojikan’ny fampihavanam-pirenena efa nosoritan’ny FFKM izany, hisorohana ny krizy vaovao na koa ny mety ho fihoaram-pefy.
Manana ny heviny ny CDE mikasika ny fanendrena praiminisitra, izay mifototra amin’ny voalazan’ny andininy faha-54 amin’ny lalàmpanorenana izay milaza fa ny antoko na vondron’antoko manana ny maro an’isa eo anivon’ny Antenimieram-pirenena ihany no afaka manolotra anarana hotendrena ho praiminisitra. Araka ny voka-pifidianana dia miisa 17 ireo antoko na vondrona antoko politika voasoratra ara-dalàna amin’ny rejisitry ny minisiteran’ny Atitany manana depiote. Any amin’ireo no miainga ny tolotra anarana, ka telo ny tranga mety hiseho. Voalohany dia avy amin’ny vondrona MAPAR, izay manana depiote 49, ny tolotra anarana rehefa tsy misy vondrona mihoatra an’isa ny azy. Tranga faharoa dia mila mivondrona ohatra ny movansy Ravalomanana, VPM-MMM, Hiaraka Isika, Leader Fanilo, Patram, MDM, PSD, FFF, Maitso ... ka mila manana depiote mihoatra an’isa ny an’ny MAPAR raha te handroso anarana praiminisitra iombonana izy ireo. Fa ny idealy amin’ny CDE na sarotra aza ny hahatongavana amin’izany dia ny fiarahan’ny MAPAR sy ny movansy Ravalomanana ary VPM-MMM, izay manana depiote 83 raha mitambatra. Tokony hifanarahan’ireo telo tonta ireo izay ho praiminisitra, hoy ny CED satria sady taratry ny fampihavanam-pirenena izany no ho tsara fototra sy mafy orina ny governemanta hijoro eo. Mila mahandry tantana ny tsy miankina.
Nangonin’i JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.