Eo am-piandrasana ny fanendrena izay ho praiminisitra dia miampy hatrany ankehitriny ireo anarana atolotra fikambanana ho amin’izany toerana izany, na mazava aza ny voalazan’ny andininy faha-54 ao amin’ny lalŕmpanorenana fa antoko politika na vondrona antoko politika manana ny maro an’isa ao amin’ny Antenimieram-pirenena no manolotra anarana amin’ny filoham-pirenena hotendrena ho praiminisitra.
Omaly izao dia miverina indray ny anaran’ny praiminisitra taloha tao amin’ny tetezamita sady kandida tamin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany, ny Jeneraly Vital Albert Camille. Ny fikambanana «Madagasikara Tokana Mandroso», miorina ao Toliara, no nanolotra azy, fikambanana izay milaza ho manohana sy manolo-tanana ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina. Mihevitra ity fikambanana ity fa ny Jeneraly Vital Albert Camille no mamaly ny masontsivana takian’ny toe-draharaha misy iainan’ny firenena ankehitriny, sy olon’ny vahaolana, izay rahateo manana ny tarigetra “Ho an’ny Tanindrazana” ka tsy hikatsaka afa-tsy ny tombotsoa ambonin’ny firenena sy ny tombontsoam-bahoaka mila famonjena. “Efa noporofoiny ny fahaiza-manaony sy ny fananany traik’efa tamin’ny fitantanan-draharaha-panjakana, izy no olona afaka hampanjaka ny filaminana sy ny fandriampahalemana, antoky ny fitoniana ara-tsosialy sy ara-politika. Olona mahitsy, olon’ny marimaritra iraisana ary misokatra amin’ny rehetra sy mankamamy firaisam-pirenena ary ny fihavanana ny samy Malagasy, hentitra sy manara-dalàna ary ny mankato ny antanantoha-pitondrana, antoka lehibe ho fanatanterahana ireo asa fampandrosoam-pirenena”, hoy hatrany ny «Madagasikara Tokana Mandroso» tamin’ny alalan’ny prezidan’ny fikambanana Masindraza Hervé.
Nangonin’i JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.