Mikatso ny fanendrena ny praiminisitra, fanolorana anarana vaovao indray aza no atao. Andrasana ny fanapahan-kevitry ny filoham-pirenena. Betsaka ny resaka mandeha momba ity fanendrena praiminisitra ity. Faramparany teo izao dia mahoraka be fa mety ingahy Beriziky Jean Omer ihany no haverina amin’io toerana io.
Voalaza fa hoe mety ho praiminisitry ny marimaritra iraisana no hotendrena eo ary eken’ny PMP sy ny MAPAR. Navela tanteraka izany ilay andininy faha-54 ao amin’ny lalàmpanorenana ary dia tsy misy resaka maro an’isa eto fa izay eken’ny rehetra no tanterahana. Efa nisy rahateo ny fifampiresahana teo amin’ireo vondron-kery politika roa ireo tamin’ity herinandro ity. Antony lehibe tsy nanendrena maimaika ny praiminisitra ny fikarohan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina ny marimaritra iraisana eto amin’ireo ankolafy politika rehetra, mba tsy hisian’ny adihevitra politika be indray aorian’ny fanendrena ilay praiminisitra fa tonga dia atomboka ny asa. Izay no fahitan’ny mpanadihady politika ity resaka ity. Na dia misy aza anefa ny anarana mivoaka dia tena mbola mistery tanteraka ny momba izay ho praiminisitra eo. Tsy takona afenina fa mangetaheta ny mbola hijanona eny Mahazoarivo i Jean Omer Beriziky satria efa nahita tsirony tamin’ny toerana praiminisitra. Araka ny fantatra aza dia matanjaka dia matanjaka ny fifandresen-dahatra any ambadika any ny amin’ny hitazonana azy eo amin’io toerana io. Manoloana izany indrindra dia miverina ao an-tsaina ilay firesaky ny mpanadihady politika sasany manao hoe : efa fantatra mialoha daholo anie ny anaran’ny filoha sy ny praiminisitra ary ny minisitra fa mba mody mihodinkodina eo fotsiny aloha e ! Efa mazava tsara ny resaka fa miditra lalina dia lalina amin’ny fiainam-pirenena eto amintsika ny avy any ivelany ary mametraka ny olony amin’ireo toerana stratejika rehetra. Tsy lasa filoham-pirenena i Hery Rajaonarimampianina raha tsy nanaiky azy ny sehatra iraisam-pirenena izay namatsy vola ny fifidianana. Misy dikany lehibe ny fihazakazahan’ny fitondrana ankehitriny hanenjika ireo olona matanjaka ahiana fa tafiditra amin’ny trafikana boaderozy ary ny Banky Iraisam-pirenena no mamatsy ny vola amin’izany ady goavana izany. Afaka herinandro dia ho any Washington – Etazonia ka hihaona amin’ny Banky Iraisam-pirenena, ny Tahirimbola Iraisam-pirenena ary ny Sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana ny filoha Hery Rajaonarimampianina. Raha ny zava-misy dia ny vahiny no tena tompon’ny fanapahan-kevitra eto, ka raha hanendry praiminisitra isika dia tsy maintsy ankatoavin’izy ireo aloha izany vao tafapetraka. Miandry ny SADC indray ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.