Fanendrena Praiminisitra

> Manohitra ny teritery ny Komity Miaro ny safidin’ny Maro an’isa


  • Alatsinainy 17 Febroary 2014

Eo anatrehan’ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny indrindra manoloana ny adihevitra be manodidina ny fanendrena ny Praiminisitra, izay samy manana ny fandikana azy ny mpahay lalŕna sy ny mpanao politika, dia nanambara ny KMSM (Komity miaro ny safidin’ny maro an’isa) fa tokony ho ny tombontsoan’ny vahoaka Malagasy 22 tapitrisa no hibaiko ny fomba fijerin’ny tsirairay.

Ny maro an’isa, hoy ny KMSM no nifidy sy nanome ny fahefana feno ny Filoha Hery Rajaonarimampianina hitondra sy hitantana ny firenena. Mbola ny maro an’isa ihany koa no nanome sy nametraka ny fahefana feno hisafidy malalaka sy hanendry ny Praiminisitra sy ireo mpiara-miasa aminy hitantana ny firenena. Heverin’ny KMSM noho izany fa faneriterena ny vahoaka Malagasy nifidy azy io faneriterena ankolaka na mivantana atao amin’ity filoha ity io. Matoky ny fahendreny ny Filoha Hery Rajaonarimampianina amin’izany safidy masina izany ary mankahery azy mandrakariva, hoy Atoa Ramamonjisoa Régis mpitarika ity fikambanana ity. Ankoatra ny antso nataony amin’ny tsirairay mba hitandro mandrakariva ny Soatoavina Malagasy, dia ny Fihavanana sy ny Fifankatiavina mba hisian’ny fitoniana sy filaminana eto amin’ny Firenena, ary koa mba hisian’ny fampandrosoana.

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT