Fanendrena Praiminisitra

> Manohana an’i Dr Jules Etienne ny ao Amoron’i Mania


  • Alarobia 26 Febroary 2014

Mahoraka be tato ho ato ny resaka fanendrena praiminisitra hitantana ny governemanta hanatanteraka ny fandaharan’asan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina.

Maro amin’ireo mpanara-baovao tao Ambositra sy Fandriana izay nanaovana fanadihadiana no milaza fa efa lasan’ny MAPAR ny andrim-panjakana mpanao lalàna. Misy koa ireo manitrikitrika fa tokony ho olon-kafa ivelan’ny MAPAR no tsara mitantana izany governemanta izany. Nambaran’ny kandida solombavambahoaka iray tao Ambositra omaly talata 25 febroary fa i Dr Jules Etienne Rolland, akaikin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina no mendrika hitazona io lapan’i Mahazoarivo io. Mitovy hevitra amin’izany koa ireo kandida maromaro tao Fandriana nanontaniana, satria raha mbola olona natolotry ny MAPAR no lasa praiminisitra eo dia mbola hiditra anaty krizy fanindroany indray ny Malagasy. Ambaran’ireo mpanara-baovao ao Amoron’i Mania fa mila mitazona ny teniny ny filoham-pirenena ka hanaja ilay fametrahana ny tena fampihavanana nambarany teny Mahamasina. Matoa nandrotsa-bato ny filoha Hery Rajaonarimampianina ny 62% mahery ny mpifidy tao Amoron’i Mania dia matoky azy tanteraka fa tsy manaiky izay mety ho faneriterena sy tsindry samihafa. Tokony ho hentitra ny filoha hanendry izay ho praiminisitra ary tsy tokony hatahotra olom-bitsy efa very seza fa hibanjina ny tena fampandrosoana ho an’ny vahoaka.

 

 

Rado

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT