Maka fotoana tsy mirotoroto ny filoham-pirenena amin’ny fanendrena izay ho praiminisitra hiaraka hiasa aminy. Nanamafy anefa izy teny Iavoloha taorian’ny fihaonana ka nanomezany toromarika ny mpitandro ny filaminana fa miasa ary mijery akaiky an’io ny tenany sy ireo mpiara-miasa aminy.
Mazava ny voalazan’ny lalàmpanorenana, hoy izy ny amin’io. Tompon’andraikitra ihany koa ny tenako, hoy izy amin’ny fitandroana ny firaisam-pirenena ka manaraka izay lojika izay ny fanendrena ary efa nisy ny toromarika nomena ireo vondrona manolotra anarana praiminisitra. Mazava ny paikadin’ny filoha fa dia anatin’ny fanoritsoritana ny lalan-kizorany mankany amin’ny fanendrena izay praiminisitra izay ny tenany. Hatreto dia manao tanisa ary mamahatra ny hevitry ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana tamin’ny 17 febroary 2014 mikasika ny andininy faha-54 mamaritra io fanendrena praiminisitra io ny MAPAR, izay milaza fa manana ny maro an’isa ao amin’ny Antenimiera. Etsy an-kilany anefa ny PMP miara-dia amin’ny filoha dia milaza fa manana depiote maherin’ny 90 manohana sy manolotra an’i Dr Jules Etienne Rolland ho praiminisitra. Io andininy faha-54 amin’ny lalàmpanorenana io ihany anefa no milaza fa ny filoham-pirenena no manendry ny praiminisitra miainga amin’ny tolotra ataon’ny antoko na vondrona antoko maro an’isa ao amin’ny Antenimiera. Mazava ny resaka eto fa dia fahefana madiodion’ny filoham-pirenena ny manendry fa tsy misy afaka maneritery azy amin’izany. Ny andininy faha-119 sy 120 ao amin’ny lalàmpanorenana ihany koa no milaza fa tsy voasokajy ho tsy azo ivalozana ny “avis” na hevitra avoakan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Midika io fa tsy voafefin’ilay fanehoan-kevitry ny HCC tamin’ny 17 febroary 2014 ny filoham-pirenena amin’ny fanendrena izay ho praiminisitra. Malalaka, araka izany, ny lalan’ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina hanendry izay ho praiminisitra hanatanteraka ny fandaharan’asam-pampandrosoana nampanantenainy ny Malagasy nandritra ny fampielezan-kevitra ary nohamafisiny tamin’ny fotoana nanaovany fianianana teo Mahamasina tamin’ny 25 janoary 2014.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.