Fanendrena praiminisitra

> “Diso hevitra ny MAPAR”, hoy Randriamamizafy Ignace


  • Alatsinainy 10 Febroary 2014

Diso hevitra ny MAPAR raha miteny fa hoe izy ireo no maro an’isa eny amin’ny Antenimieram-pirenena ka hanolotra praiminisitra, hoy Randrimamizafy Ignace teny amin’ny Magro Behoririka ny sabotsy teo.

Voalazan’ny lalàmpanorenana, hoy izy, fa izay mahazo ny antsasamanila amin’ny fifidianana solombavambahoaka no manolotra avy hatrany ny anarana ho praiminisitra tendren’ny filoham-pirenena. Tsy nisy nahazo an’io anefa ireo vondrona mpifaninana ka izay vondrona mahavita fifanarahana amin’ireo tsy miankina na antoko hafa nahatafiditra solombavambahoaka nisinisy no azo antoka fa hanolotra izany praminisitra izany. Raha tsy izay no hiseho dia ho mora voahozongozona izay ho lany eo, hoy ity mpikambana teo aloha tao amin’ny Kongresin’ny tetezamita ity. Tsy maintsy ho sahirana tahaka izao ny filoham-pirenena amin’ny fanendrena izay ho mpanatanteraka ny vinam-piarahamonina nilokalokany tamin’ny fampielezan-kevitra rehefa tsy manana fototra ara-politika, hoy ihany izy.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT