Nanao ranolava sy nisesisesy ny fanehoan-kevitra politika tao Toliara tamin’ity herinandro ity.
Omaly dia nanao valandresaka tamin’ny mpanao gazety tao amin’ny biraon’ny ORTU Ankilisoafilira Bazaribe, ny fikambanaben’ny antoko politika sy ireo Olobe any amin’ny faritra Atsimo Andrefana izay manohana ny filoha Hery Rajaonarimampianina. Hita nafana fo tamin’ny fihaonana ity ry Napetoke Marcel (Ankolafy Ravalomanana), Roberval Jeannot (Toliara Mijoro), Koto Justin (Hiaraka Isika), Mana Parfait (depiote taloha), Jean Claude (Antoko Maitso), Fosy (UNDD), Vanorary Dode Raymond (Arema), René Retovone (AVANA), Mahavina Dauphin (MAFI), Solo Jean Robert (Olobe), Houssen Ali (Les AS), Torimana dit Evaharane (Fanasin’i Madagasikara). Nisy ny fanambarana tokana niraisan’izy ireo izay nosoniavina mpitarika 13, ka toy izao no votoatin’izany, novakian’Atoa Monista Justin, avy ao amin’ny antoko Matavebe. « Izahay zanak’i Toliara dia tsy miombon-kevitra amin’ireo izay nanao fanambarana amin’ny tenany manokana ka manery ny filoham-pirenena hanendry olona iray ho praiminisitra. Helohinay sy toherinay tanteraka amin’ny herinay rehetra ny fihetsika toy izany na amin’ny fomba mivantana na an-kolaka atao. Avelao ny filoha Hery Rajaonarimampianina hisafidy malalaka izay olona tiany hiara-kiasa aminy, satria tsy lany olomanga ny firenena».
E.R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.