Andrasana amin’ity fiandohan’ny herinandro ity ny valin-tenin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana manazava ny fampiharana ilay andininy faha-54 ao amin’ny lalàmpanorenana mikasika ny fanendrena ny praiminisitra, araka ny taratasy nataon’ny filohan’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, ny jeneraly Rasolosoa Dolin. Andininy tena mampifandrirotra ny mpanao politika sy ny mpahay lalàna tokoa izy io ankehitriny indrindra amin’ny famaritana ny maro an’isa eo anivon’ny Antenimieram-pirenena izay voalaza fa manolotra amin’ny filoham-pirenena ny anaran’izay praiminisitra mba hotendrena. Hivory voalohany, tsy ara-potoana, ny Antenimieram-pirenena handany ny fitsipika anatiny sy hifidy ny Birao maharitra rahampitso talata. Hanampy sy hanamora ny fanapahan-kevitra eny Tsimbazaza anefa ny fivoahan’io fanazavana io. Mety ho anio, araka izany, io valin-teny io no azo. Raha ny fanazavana nentin’ny Pr Rakotomanana Honoré tao amin’ny fahitalavitra MaTV omaly dia fanisana ny tsangan-tanana ataon’ireo miray foto-kevitra arovana mandritra fotoam-pivoriana rahampitso talata no hamoaka io maro an’isa io.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.