Politique

Fanendrena olona ambony Nisavoritaka indray ny fanjakana


  • Zoma 21 Febroary 2020

Navoakan’ny fampahalalam-baovao iray omaly fa voatendry ho Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny angovo sy akoran’afo Atoa Andriatongarivo Nasolo Tojonirina,

 

vadin’ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy. Rehefa niverenana nohamarinina ny tatitry ny filankevitry ny minisitra, dia tsy tao velively ny anarany. Raha ny re dia tena nisy ny fanendrena, kanefa andrasana izay mety ho fanazavana. Nahoana no tsy nosoratana tao anaty tatitra sa adino ? Ny tena loza dia vadin’ny mpitondra tenin’ny governemanta izao fa tsy mba olon-kafa. Sa kosa niniana tsy nosoratana mihitsy noho ny antony manokana ? Tsy tafiditra tao anatin’ny fanafoanana didim-panjakana noresahina tao anatin’ny tatitry ny filankevitry ny minisitra ny fanafoanana ny fanendrena ny Tale jeneralin’ny minisiteran’ny angovo teo aloha ny an’ireo minisitera hafa toy ny an’ny harena ankibon’ny tany. Mifamahofaho tanteraka ity raharaha ity. Herintaona mahery nitondrana, mbola sahirana mametraka rafitra hanamafisana ny toerana ny fanjakana Rajoelina. Vao ny 29 janoary lasa teo no niova ny governemanta, ary mbola ao anatin’ny fanoloana sy fametrahana olona ny minisitera tsirairay amin’izao fotoana. Mbola misy ireo minisitra eo am-pikarohana ny olona hiara-kiasa aminy na efa nisy aza ny fanangonana “CV” nataon’ny fanjakana. Mifanipaka toy ny valala an-karona ny mpitondra, raha tsy hilaza afa tsy ny zava-nisy tao amin’ny minisiteran’ny fanabeazana nilazan’ny minisitra teo aloha, fa matoa izy tsy nahavita dia tsy nahavita ihany koa izany ny ekipa miaraka aminy. Re fa nitondra ny ekipany sy nanolotra anaran’olona miisa 8, ohatra, ny minisitra Rijasoa Josoa, saingy voatsipaka. Re fa didy nilatsaka avy any ambony no nametraka an’Atoa Herimanana Razafimahefa izay fantatra bebe kokoa taty amin’ny lafiny fandraharahana ara-toekarana ho Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana ara-teknika fanofanana arak’asa, fa tsy tolo-kevitry ny minisitra. Misy izany ireo minisitera, tonga dia sikilaonina be ny fanalana olona rehefa tonga ny minisitra vaovao fa misy ny tratry ny tian-kano tsy tian-kano. Tsy tokony hohadinoina fa nisy ny fifanekena (contrat-programme) tamin’ireo minisitra. Tsy voatery ny tompon’andraikitra rehetra dia tsy maintsy soloina satria misy ireo teknisianina tena manana ny traikefany. Mila olona mitovy fijery sy heveriny fa afaka ny hiara-kamita ny tanjona napetraka taminy anefa ny minisitra iray, ka asa na ho tratra ny tanjona ao anatin’ny mety ho endrika tian-kano tsy tian-kano amin’ny olona hiara-kiasa amin’ny tena.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT