Resaka tena mbola miteraka adihevitra be eto amin’ny tany sy ny fanjakana ankehitriny ny fomba fanendrena izay ho praiminisitra hitantana ny governemanta. Efa re siosion-dresaka ihany ireo heverina fa mason-tsivana tsy maintsy apetraka mba hisafidianana io praiminisitra io.
Re, ohatra, fa tsy ho miaramila ilay praiminisitra, tsy maintsy olona avy any anindran-tany ary avy amin’ny finoana Katolika. Hatreto mantsy aloha dia tsy mbola afa-bela amin’ilay resaka fiaviana sy finoana amin’ny fitsinjarana ny toeram-pitantanana ambony isika eto Madagasikara. Efa avy eto Antananarivo sady mpino Fjkm, ary diakona mihitsy ny filoha Hery Rajaonarimampianina ka izay no mahatonga ireo mason-tsivana roa voalaza etsy ambony ireo. Re koa anefa izao fa tena miditra lalina amin’ity fanendrena ny praiminisitra ity ny sehatra iraisam-pirenena, ka efa nametraka fa tsy azo ekena raha toa ka olona efa tao anatin’ny tetezamita no hotendrena amin’io toerana io. Midika izany fa voailika avy hatrany i Andry Rajoelina sy ny ekipany. Fihetsiketsehana no betsaka ny an’ny mpanao politika sasany, efa iaraha-mahalala anefa fa tsy maintsy manaraka ny baikon’ny sehatra iraisam-pirenena ihany isika satria mbola mindram-bola sy mangataka fanampiana avy aminy. Etsy an-kilan’izay, sahiran-tsaina mafy ny filoha Hery Rajaonarimampianina, satria mety efa nisy ny fifanarahana nataony tamin’ireo mpanohana azy dia i Andry Rajoelina sy ny MAPAR izany. Efa nifampiresaka tamin’ny mpanohitra koa anefa izy, tahaka ny ankolafy Ravalomanana sy i Dr Jean Louis Robinson ary ireo vondrona politika sasany. Samy nametraka fepetra ireo rehetra ireo, tsy azo odian-tsy hita koa ny mety ho fomba fijerin’ny foloalindahy sy ny vahoaka tsotra. Izany zava-drehetra mifamahofaho izany no fototry ny olana ka mahatonga izao resabe momba ny fanendrena ny praiminisitra izao. Samy maminavina ny rehetra. Tsy hiasa saina firy fa tonga dia hanendry izay olona atolotry ny MAPAR ve ny filoha sa efa manana paikady hanendrena ny praiminisitry ny marimaritra iraisana (indray) mba hametrahana tanteraka ny fitoniana ara-politika hahafahana miroso bebe kokoa amin’ny fanarenana ny firenena ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.