Politique

Fanendrena ny Jeneraly Ravalomanana Efa miomana amin ny korontana ny Fanjakana


  • Alarobia 13 Aprily 2022

Tsy tongatonga ho azy fa ao raha Miala any ny fiomanana amin ny sakoroka politiika sy hetsi bahoaka

Io no mahafintina ny fanendrena ny Jeneraly Richard Ravalomanana ho mpanolotsaina ny Filoham-pirenena, araka ny didim-panjakana noraisina ny 07 aprily. Maro ny jeneraly am-perinasa tsy manana andraikitra ambony, saingy nisafidy ity jeneraly efa misotro ronono ity i Andry Rajoelina. Ny raharaha 2009 sy ny fandravana hetsi-bahoaka no tonga ao an-tsain’ny maro vao hoe Jeneraly Ravalomanana na “Jeneraly Baomba” araka ny anaram-bositra nomen’ny Filoha iray efa nodimandry no resahina. Henjana ny fisambotsamborana sy fanagadrana ireo olon’ny Fitondrana Ravalomanana tamin’ny tetezamita, nisy ny potika tanteraka ny fiainany noho ny fanenjehana sy fanagadrana, ary tao ny nitondra takaitra mandrak’androany, misy mihitsy no tsy tafarina sy lasa any amin’ny vary tsy mifody mihitsy,…. Narefo ny fahalalahana haneho hevitra, nangotraka ny fisamborana, maro ny mpanao gazety nosamborina sy nogadraina,... Tsy nisy fihetseham-po na “sentiment” ny fampihevonana lakrimozenina ireo izay mihevitra haneho hevitra na natao batisa ho kianjan’ny demokrasia aza ny Zaridainan’Ambohijatovo tamin’ny fanonganam-panjakana notarihin-dRajoelina. Nampitondraina fasana izay nikasa haneho hevitra tao rehefa tonga ny tetezamita, hany ka na ny Pr Zafy Albert aza tsy navela niditra tao fa nohevohana baomba mandatsa-dranomaso, kanefa dia ny sarivongan’ity Filoha teo aloha nosokajiana ho Rain’ny Demokraisa ity no napetraka ao anatin’ny zaridainan’Ambohijatovo tamin’izao Fanjakana Rajoelina izao. Ahiana hiverina indray ny sary tamin’ny tetezamita.
MITADY HIVERINA NY SARY
Manahy ny Fanjakana Rajoelina fa ho mafy ny ady, ho henjana ny toe-draharaha miandry azy. Mandindona an’ity Fitondrana ity ny fipoahana ara-politika sy ara-tsosialy. Miomana hanohitra sy tsy hanaiky lembenana ny kajikajy mety hibodoam-pahefana ny herivelona politika. Mialohan’izany aza, mety hisy fitakiana hitovy endrika amin’ny niseho tamin’ny 2018 noho ny kajikajy ara-pifidianana. Ho sarotra amin-dRajoelina sy ny ekipany ny hifehy ny firenena mialohan’ny hiatrehana ny fifidianana. Efa fanombohan’ny krizy ireny zava-niseho ny faran’ny herinandro teo teto Antananarivo, izay efa karazana fidinana an-dalambe. Vao fanombohany ireny, ary karazan’ny efa tandindon’ny ho avy. Marina fa voasakana, ary mbola tsy tena mahery vaika, saingy azo hitarafana fa ny fampiasan-kery, fanaovana fitaovana ny mpitandro ny filaminana sisa no toa paikady hiatrehan’ny Fanjakana Rajoelina. Mitombo ny tsindry, diso fanantenana ny ankamaroan’ny olona ary lainga sy fitaka bevava ny fivoizana fa 53% amin’ny Malagasy no mbola vonona handatsa-bato ho an-dRajoelina. Fidangan’ny vidim-piainana, grevy amin’ny endriny maro, toekarena mitotongana, fiainana ara-tsosialy ambony ambany, tsy fandriampahalemana manerana ny Nosy,… Tsy misy vahaolana ireny, ary izay mitaky dia ny basy aman-tafondro no hahetsika. Ambony ambany ny zava-drehetra, toa ho ratsy ny tantara ho an’ny Fanjakana Rajoelina, ka toa ny miaramila sisa no toa hianteherana.
Toky R
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT