Fanendrena mpiasam-panjakana ambony

> Novaina ny Tale jeneralin’ny ACM, niditra an-dapa ny jeneraly


  • Zoma 28 Febroary 2014

Nitarika filankevitry ny minisitra manokana teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina omaly alakamisy 27 febroary.

Nisy fandraisana didim-panjakana fanendrena mpiasam-panjakana ambony telo nandritra izany. Voatendry tamin’izany ny Sekretera jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika ny jeneraly miaramila kintana telo Ralala Roger Pierre. Sekretera jeneralin’ny governemanta Beriziky izy talohan’izao andraikitra vaovao sahaniny izao, anisan’ireo mpiofana nandrafitra ny andiany voalohany tao amin’ny CEDS (Centre d'Études Diplomatiques et Stratégiques). Talen’ny kabinetran’ny filoham-pirenena ny mpisolovava Rabary-Njaka Henry izay anisan’ireo sivy efa notendreny ho mpanolotsainy manokana. Fa natsahatra tamin’ny asany koa ny Tale jeneralin’ny ACM (Aviation Civile de Madagascar) ka i Andrianalisoa James indray izao no Tale jeneraly vaovao nasolo an-dRazafy Robert, ity farany izay nalaza tamin’ny famoahana NOTAM nisakanana ny fiverenan’ny fianakavian’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana tsy hiverina an-tanindrazana. I Andrianalisoa James no Tale jeneralin’ny Air Madagascar tamin’ireny raharaha nafana teto tamin’ny 2001-2002 ireny. Anisan’ireo nanao sesitany ny tenany tany andafy izy taorian’izay. Mpiara-miasa akaiky ary anisan’ny mpanolotsain’ny filoha ankehitriny izy izao voatendry hitantana ny ACM izao.

 

Nangonin’i JD

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT