Politique

Fanendrena minisitra vaovao Miady varotra mafy ny Depiote


  • Alarobia 04 Aogositra 2021

Nandritra ny fanokafana ny fivoriana tsy ara-potoanan’ny Antenimieram-pirenena nanomboka omaly 03 aogositra haharitra 12 andro no nanehoan’ny Filohan’io Andrim-panjakana hevitra indray momba

ny toe-draharaham-pirenena. Tsy ekena velively ny tetidratsy hamboly korontana eto amin’ny tany sy ny firenena, ny fanitsakitsahana ny fiandrianam-pirenena sy fikasana handrodana ny Repoblika. Izahay dia sahy milaza etoana fa tsy sarin’ady na sarimihetsika ireny, koa aoka ny vahoaka Malagasy tsy ho voarebireby amin’izany, ary hamafisina hatrany ny fiarovana ny ain’ny Filohan’ny Repoblika sy ny ankohonany, fa tsy azo atao tandrevaka”, hoy Rtoa Christine Razanamahasoa. Nambarany fa ny filamatry ny antenimieram-pirenena, dia ny hisian’ny fifandimbiasan-toerana amin’ny fomba demokratika ao anatin’ny fitoniana. Ireo no miantoka ny maha marin-toerana ny fitondrana. Tsy hanao vato manoa rina, na vola manoa randrana amin’ny fampandrosoana ny solombavambahoaka maro an’isa, hoy izy. “Efa ataon’ny Filoha amin’ny firenena izany, saingy ho fanamafisana ny fifandraisana, dia ilaina ny fametrahana ny hasin’ny andrim-panjakana tsirairay ao anatin’ny fanajana ny foto-kevitry ny lalàmpanorenana. Koa raha misy fanapahan-kevitra ho raisina amin’ny fitantanan-draharaha amin’ny ankapobeny, na ara-panjakana na ara-politika, dia maniry sy manao soso-kevitra izahay mba hapetraka amin’ny hasiny ny antenimieram-pirenena. Tokony ho olom-boasedran’ny vahoaka no ho hita taratra bebe kokoa hisahana ny andraikitra politikan’ny mpanatanteraka. Averina izany, fa izany hevitra izany no haverina eto dia ny fikatsaham-pitoniana hatrany mba hahasoa ny tany sy ny Fanjakana”, hoy hatrany Rtoa Christine Razanamahasoa. Midika io fa mbola mitazona ny teniny ny depiote IRD sy ity Filohana andrim-panjakana ity, fa tokony hifanaraka amin’ny maro an’isa eny amin’ny Antenimiera ny firafitry ny governemanta, indrindra taorian’ireny lonilony teo amin’ny depiote sy minisitra sasany ireny.

TSINDRY AN-KOLAKA
Manery an-kolaka an-dRajoelina hametraka ireo olom-boafidy sy nitolona na hoe tena TGV-MAPAR no homena sehatra. Isan’ny adihevitra anefa io hoe: hamaha olana sy hitondra fitoniana ve? Raha raisina amin’io mantsy, dia tsy resaka traikefa sy fahaiza-manao izany no mety hametrahana sy hanomezana andraikitra ny olona ambony iray ho amina toerana ambony toy ny maha mpikamban’ny governemanta. Ny anjara andraikitra politika tamin’ny fanohanana ny Filoha sy ny maha olom-boafidy no tadiavina hamaritra izany, saingy tena ahafahana mametraka ny fitoniana politika sy vahaolana ara-toekarena sy sosialy ary indrindra ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra iraisam-pirenena ve ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT