Politique

Fanelanelanana amin’ny krizy Ho avy ny iraky ny Firenena Mikambana


  • Alarobia 19 Janoary 2011

Mitohy ny fakan-kevitra samihafa hamaritana sori-dalana hivoahana amin’ny krizy ataon’ny iraky ny SADC tarihin’ny Dr Leonardo Simao.

Omaly dia ny Ankolafy Telo no noraisin’izy ireo tetsy amin’ny masoivohon’ny Firenena Mikambana etsy Andraharo. Tazana teny ny Dr Emmanuel Rakotovahiny, Manoro Régis, Miandrisoa Marcel (ankolafy Zafy) ; Manandafy Rakotonirina, Roland Ravatomanga, Me Hanitra Razafimanantsoa (ankolafy Ravalomanana) ; Rakotosoa Ramisandrazana, Ratsimbazafy Heritafika ary ny Pr Ange Andrianarisoa (ankolafy Ratsiraka). Ity farany no nitatitra fohy ny votoatin’ny dinika tao ka nambarany fa nifototra betsaka tamin’ny fomba hahafahana manomana sy manatanteraka fifidianana mangarahara sy demokratika.

Mikasika izay indrindra dia fantatra fa hisy iraka avy amin’ny Firenena Mikambana ho avy eto Madagasikara amin’ny faramparan’ity volana janoary ity. Tetsy andanin’izany dia nanamafy ny Pr Ange Andrianarisoa fa tsy mbola misy tetezamita eto, na dia efa sarintsarina Maputo aza no nananganan’ny FAT ireo rafitra misy ankehitriny, ka ilana fifampiresahana. Ny elatra HPM (Hery politika mitambatra) tarihin-dRalison Roger no noraisin’ny SADC tao amin’ny Colbert Antaninarenina ny tolakandro, nanolotra tolokevitra amin’ny fisokafan’ny andrim-panjakana amin’ny hery rehetra. Nanaraka azy i Pierrot Rajaonarivelo MDM (Mientana ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara) izay nanamafy fa vonona handray anjara hatrany amin’ny tetezamita. 

Nangonin’i Jean D.
 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT