ny volana aprily teo, tao anaty tambazotran-tseraserany dia nanapa-kevitra ny avy eo anivon’ny Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara na RMDM fa hitory azy.
Omaly moa no nikasana hametrahana izany fitoriana izany saingy tsy tontosa noho ny antony tsy miankina amin’ity vovonana politika ity, raha ny fanazavana. Anio indray noho izany no hanaterana izany eny amin’ny tribonaly etsy Anosy. Fanehoan-kevitra mifono herisetra ara-moraly no nataon’ity tompon’andraiki-panjakana ity tamin’izay fotoana izay, hoy ny solontenan’ny RMDM, Gaby Vakiniadiana, ary tokony haha voasazy satria tsy misy ambonin’ny lalàna eto.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.