Politique

Fanehoan-kevitra politika Nosamborina i Beari Nirina Marcelin


  • Alakamisy 17 Jona 2021

Nosamborin’ny zandary nanao fanamiana sivily teny amin’ny Moske 67ha omaly ny mpanao politika Beari Nirina Marcelin,

 

 

 raha ny voalazan’ny fampahalalam-baovao iray omaly. Nivavaka tao amin’ny Moske 67Ha atsimo, ary rehefa nivoaka avy ao, dia nisy zandary roa nibeda azy tamin’ny andaniny roa, ary roalahy nanosika azy avy aoriana. Efa nisy fiara “express” niandry, hoy ny fanazavana. Voalaza fa voatazona ao amin’ny Toby Ratsimandrava ity politisianina ity. Fanehoan-kevitra ara-politika no heverin’ireo manodidina azy fa anton’ny fisamborana. Tsiahivina fa nisy ny fanambarana nataony tetsy amin’ny Kianjan’ny 13 mey ny 25 mey lasa teo, niantso fidinanana an-dalambe. Mbola vahiny tamina fahitalavitra tsy miankina izy taorian’io, ary nitondra fanehoan-kevitra mavaivay namelively Fitondrana. Asa raha misy ifandraisany amin’ny fanehoan-keviny tamin’ny tambajotran-tserasera momba ny zanaky ny Filoham-pirenena ihany koa ?

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT