Politique

Fandrisiana an-dRajoelina hirotsaka Fitiavan-tseza sa fahajambana politika ?


  • Talata 24 Mey 2022

Taorian’ireo depiote volomboasary sasany izay efa niantso ny hirotsahan’ny Filoha am-perinasa Andry Rajoelina hofidiana indray amin’ny 2023, dia minisitra mpikamban’ny governemanta indray no niantso izany nandritra ny diany

tany Ihosy ny faran’ny herinandro teo. Fomba fiady ara-politika io, miteny na ampitenenina ireo mpanohana mba hiantso ny fitrotsahana indray. Tsy misy mandrara ny firotsahan-kofidiany fanindroany satria na ny lalàmpanorenana aza dia mametraka fa afaka mbola hofidiana ny filoha nahavita fe-potoam-piasana iray. Na izany aza, misy zavatra mba mampieritreritra ihany, satria efa endrika tsy fahamatorana sy lainga tamin’ny vahoaka ny hoe: efa niomana 5 taona ary tsy mila mpamatsy vola mahazatra fa mampahantra. Teo ihany koa ny nilazana fa hovitaina ao anatin’ny 5 taona ny fampandrosoana tsy vitan’ny teo aloha 60 taona. Mivadi-dela indray anefa rehefa tsy tanteraka ny fampanantenana poakaty maro, fa mila fifandimbiasam-pahefana ara-demokratika in’efatra raha te handroso izany hoe: 20 taona izany? Nolazaina indray fa tsy vita ao anatin’ny 2 na 3 taona ny fandrosoana. Fa inona no tena marina fa mifanohitra hatrany izay ambara? Endriky ny tsy fahamatorana ireny, ary hitsarana fa tsy dia azo itokisana intsony ilay filoha.Ankoatra izay, aiza ve ka olona efa tsy nitondra 13 taona no mbola henjehina sy hanilihana ny tsy fahombiazana. Aleo tsiahivina foana fa 7,1% ny tahan’ny fiakaran’ny harin-karena ny 2008 saingy naongana ny fitondrana tamin’izany. Nitotongana tany amin’ny 3,3% tamin’ny tetezamita, ary nakarin’ilay Filoha teo aloha izay nenjehina mafy ho 5,4%, saingy 8% no azon’ity farany tamin’ny fifidianana 2018. Mbola mihiratra ve ny mason-tsaina sy ny masom-panahin’ireo mandrisika ny filoha Rajoelina hirotsaka sa dia noho ny fitiavan-tseza mba tsy ho very fihinanana ?

Toky R
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT