Administratera sivily, mpitsara, olon’ny haifiarahamonina na “Sociologue de formation” ary efa lehiben’ny distrika tao Manakara sy Vatomandry ary Ambilobe. Efa Talen’ny Fampiroboroboana ny Vehivavy sy ny Miralenta tao amin’ny Ministeran’ny Mponina sy Sekretera Jeneralin’ny Faritra Atsimo
Andrefana, Zanaka Bara Zafimagnely, avy any Benenitra sy Lakora. Ireo no azo amintinana ny traikefa hananan’ny governora vaovaon’ny distrikan’Ihorombe, Tafita Sareine Nomenjanahary André. Heverina ho mahalala sy mahafehy ny fomba amam-panao ary ny Kolontsaina Bara ny tenany. Misokatra amin’ny fifanakalozan-kevitra rehetra toy ny fiaraha-miasa amin’ireo olom-boatendry sy olom-boafidy, ny Lonaky, ny vahoaka, ny Raiamandreny isan-tsokajiny sy ny fiarahamonim-pirenena moa ny tenany, raha ny fampahafantarana natao momba azy. Isan’ny laharam-pahamehana ao anaty vinan’ity olom-boatendry ity ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana, ny fanomezan-drano ny eny amin’ny tontolo ambanivohitra, ny fampiroboroana ny fanabeazana, ny fampidirana tekinolojia amin’ireo toerana mila maika izany, ny fiaraha-miasan’ny sehatra tsy miankina sy miankina amin’ny fanjakana. Azo lazaina ho saika voaresaka ny sehatra rehetra saingy ny isan’ny andrasana indrindra, araka izany, dia ny paikadin’ity andriambavilanitra ity mikasika izay ady amin’ny tsy fandriampahalemana mihanaka any an-toerana izay.
J. Mirija
Legende: Tafita Sareine Nomenjanahary André, governoran’ny Faritr’Ihorombe
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.