Ny 17 mey teo no nanamarika ireo komity mpanara-maso ny sata mifehy ireo kandida ho depiote nampanao sonia ilay antsoina hoe “Toky nomena”
fa ny kandidan’ny vondrona politika mampiasa ny anaran’ny filoham-pirenena na IRD no tena tsy manara-dalàna indrindra ao anatin’izao fampielezan-kevitra izao. Tsy vao izao, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko politika Aba, Dany Rakotoson, no nisy tsy fanajana ny hasin’ny demokrasia. Na dia ny fampiasana ny anaran’ny filoham-pirenena fotsiny ao anaty fampielezan-kevitra aza dia tsy ao anatin’ny etika demokratika. Mila miha matotra isika ary izay no antom-pisian’ny CENI. Tokony hampahatsiahy izy ireo, hoy ny tenany. Tsy tokony ho mpitaribato vilambava kosa, hoy ny kandida Naina Randimbison, hafa ny tondroin’ny molotra dia hafa no alehan’ny tongotra. Mametraka tany tan-dalàna isika ka tokony hohajaina ny lalàmpanorenana. Tsy tokony hiandany amin’ny maha filoham-pirenena azy. Tahotra ny tsy ho lany ny fahitako ireny, toy izany koa ny fikasihan-tanana. Izahay izao dia mahita kandida manakarama 15000 ariary mihitsy handrovitra ny afisinay, hoy izy. Ry zareo MMV, tarihin’ny filohany Arlette Ramaroson, moa dia efa nametraka fitoriana mihitsy manoloana izany ary dia miandry ny HCC sy CENI hihetsika izany ny rehetra.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.