Ny vavan’ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy no nilaza rehefa nandeha ny kiana tamin’ny fandaniam-bola be nataon’ny mpitondra tamin’ny dian’ny filoha tany Sénégal ny volana martsa,
fa ny mpampiantrano no miantoka ny lany amin’ny maha vahiny manokana sy manan-kaja an-dRajoelina, eny fa hatramin’ny fiaramanidina aza. Hatrany amin’ny 12 000 Euros (48 000 000Ar) ny hofan’ny fiaramanidina tamin’ireny ka ny Malagasy izany no hamoaka vola sy hiantoka ny fampiantranoana rehetra amin’ny fahatongavan’ny filohan’i Rwanda Paul Kagame eto araka ny raikipohin-dRamatoa minisitra ? Serasera mipoapoaka hakana fom-bahoaka sy hanakonana ny filibana toy ilay dia tany Frantsa nanofana hotely 25 tapitrisa isaky ny iray alina tany Frantsa ny fanafoanana ny fiaraha-misakafo eny Iavoloha. Ny karaman’ireo mpiasa tsy raikitra (ECD) eny amin’ny minisitera, efa 6 volana tsy nandray karama. Nahita vola 500 000 Euros (2 000 000 000 Ar) anefa ny fanjakana mba hampitana mivantana ny lalaon’ny CAN 2019, izay nambara fa volam-bahoaka. Misy vola ihany izany ao fa ireo mpiasa kosa ampandeferina sy tsy raharahiana ? Sa kosa loharanom-bola hafa mihitsy no nipoiran’ilay 500 000 Euros fa ny mpitondra no miezaka mamahan-dalitra ny vahoaka ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.